Nathan Homer Knorr

Avy amin'i Wikipedia
I Nathan Homer Knorr

I Nathan Homer Knorr dia filoha fahatelon'ny Watch Tower Bible and Tract Society, ilay fikambanana niova anarana ho Jehovah's Witnesses (malagasy: Vavolombelon'i Jehovah) nanomboka tamin'ny taona 1942. Teraka tamin'ny 23 Avrily 1905 tao Bethlehem any Pennsylvanie. sy maty tamin'ny 8 Jona 1977 tao Wallkill tany New York izy. Niezaka ny hampandroso fatratra ny fikambanan'ny Vavolombelon'i Jehovah i Nathan Knorr tamin'ny nametrahany rafitra matanjaka. Izy no nanomboka ny fomba fiasa mitory mitety trano sy ny fanofanana mpamita iraka (misionera) izay nampitombo isa ny mpikambana teo anelanelan'ny taona 1942 sy 1968.

Fitarihana[hanova | hanova ny fango]

Fanendrena ho filoha[hanova | hanova ny fango]

Voatendry hitondra ny Watch Tower Bible and Tract Society i Nathan Knorr tamin’ny taona 1942. Nanomboka tamin’ny taona 1945 dia tsy azon'ireo Vavolombelon'i Jehovah atao ny mamindra ra na ny amindrana ra nefa azo atao vaksiny indray izy ireo.

Fandikan-teny vaovao ny Baiboly[hanova | hanova ny fango]

Nampanao fandikan-teny vaovao ny Baiboly amin’ny teny anglisy (New World Translation of the Holy Scriptures) i Nathan Knorr ka vita tamin’ny taona 1961 izany. Avy amin’izany no nandikana ny Baiboly amin’ny tenim-pirenena hafa rehetra izay ampiasain'ny Vavolombelon'i Jehovah amin'izao fotoana izao. Namoaka fitsipi-pitondran-tena ny fikambanana.

Faminaniana[hanova | hanova ny fango]

Tamin’ny taona 1966 no nilazan'i Nathan Knorr fa amin’ny taona 1975 no hanomboka ny fanjakan’i Kristy. Nihena ny isan’ny mpikambana taorian’ny taona 1975 rehefa tsy tanteraka ny faminaniany.

Fampihenana ny fahefan'ny filoha[hanova | hanova ny fango]

Nanomboka tamin’ny taona 1976 dia nahena ny fahefan’ny filohan’ny fikambanana ka nafindra tamin’ireo Filankevi-pitantanana ny fahefana amin'ny fanapahan-kevitra momba ny zavatra ampianarina sy ny fandaminana ny fikambanana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]