Al-Tabari

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Muhammad ibn Jarir al-Tabari)

I Al-Tabari dia manam-pahaizana silamo sonita, mpahay tantara arabo-persana, mpamakafaka, mpahay lalàna, ary teôlôjiana avy any Amol, Tabaristan, any Iràna ankehitriny. Amin' ny teny arabo dia ٱلطَّبَرِيّ / al-Ṭabarī no anarany ary أَبُو جَعْفَر مُحَمَّد بْن جَرِير بْن يَزِيد ٱلطَّبَرِيّ / Abū Jaʿfar Muḥammad ibn Jarīr ibn Yazīd al-Ṭabarī ny anarany feno. Teraka tao Armol ao Tabaristan, tamin' ny taona 839 izy ary maty tao Bagdad tamin' ny 16 febroary 923. Anisan' ireo olo-malaza indrindra tamin' ny Andro Volamen' ny fivavahana silamo i al-Tabari izay malaza amin' ny asasoratra ara-tantara sy ny fahaizany amin' ny famakafakana ny Kor'any (tafsir). Nanao asasoratra momba lohahevitra isan-karazany izy, anisan' izany ny tantaran' izao tontolo izao, ny tononkalo, ny haivoambolana, ny fitsipiteny, ny etika, ny matematika ary ny fitsaboana. Anisan' ny sanganasany malaza sy manan-danja indrindra ny Tafsir al-Tabari, izay heviteny amin' ny Kor'any, sy ny tantara Tarikh al-Tabari.

Nanaraka ny sekolin' ny safeisma i Al-Tabari nandritra ny folo taona teo ho eo talohan' ny namolavolany ny fivoasany ny lalàna silamo. Ny fahatakarany izany dia sady be pitsiny no niavaka, ary, araka izany, dia nanohy namolavola ny heviny sy ny eritreriny momba ny raharaha momba ny lalàna hatramin' ny fifaran' ny fiainany izy.

Ny sekolin-dalànana (madhhab) notarihin' i Al-Tabari dia nroborobo teo amin' ny manam-pahaizana (ulama) sonita nandritra ny taonjato roa taorian' ny nahafatesany, talohan' ny hanjavon' izany amin' ny farany. Nantsoina hoe Sekoly Jariri (Jarîriyya) izany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]