Al-Tirmidhi

Avy amin'i Wikipedia

I Al-Tirmidhi dia manam-pahaizana silamo, ary mpanangona hadita avy any Termez na Tirmidh (Khorasan tany am-boalohany sy ao Ozbekistàna ankehitriny), teraka tamin' ny taona 824 ary maty tamin' ny 9 Ôktôbra 892. Izy no nanangona ny hadita ao amin' ny Sunan al-Tirmidhi izay atao hoe koa Sunan al-Tirmidhi, na al-Jami` as-Sahih, na Jami` at-Tirmidhi. izay anisan' ireo fanangonana hadita kanôkina ao amin' ny sonisma. Atao hoe Imām at-Termezī/Tirmidhī, koa i Al-Tirmidhi fa ny anarany feno dia Abū ʿĪsā Muḥammad ibn ʿĪsā as-Sulamī aḍ-Ḍarīr al-Būghī at-Tirmidhī (arabo: أبو عيسى محمد بن عيسى السلمي الضرير البوغي الترمذي; ), amin' ny teny persiana ny anarany dia ترمذی / Termezī.

Izy koa no nanoratra ny Shama'il Muhammadiyah ihany koa izy (fantatra amin' ny anarana hoe Shama'il at-Tirmidhi), izay fitambarana hadita momba ny olona sy ny toetran' ny mpaminany silamo Mohamady. At-Tirmidhi koa dia nahay tsara ny fitsipi-pitenenana arabo, nankasitraka ny sekoly tao Kufa mihoatra ny tao Basra noho ny fitehirizan' ny teo aloha ny tononkalo arabo hatao loharano voalohany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]