Fiendrika sy fitodika: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Namafa soratra tsy ilaina
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy ohatra
Andalana faha-2: Andalana faha-2:


== Fiendrika sy fitodika ao amin'ny fiteny malagasy ==
== Fiendrika sy fitodika ao amin'ny fiteny malagasy ==
Nivoatra avy amin'ny fakana tahaka ny fitsipiteny tranainy ho an'ny fiteny eoropeana ka nankaty amin'ny fitsipiteny vokatry ny fikarohana amin'ny [[haiteny]] malagasy ny fandalinana ny amin'ny atao hoe fiendrika na fitodika ao amin'ny fiteny malagasy. Ny mpahay teny rehetra amin'izao anefa mbola tsy mitovy hevitra ny amin'izany, ka ny tena fantatra dia ny fitsipiteny araka ny haiteny ara-drafitra izay notarihin'i [[Siméon Rajaona]] sy ny fitsipiteny araka ny haiteny ara-piofohana tarihin-[[Rabenilaina Roger-Bruno]].


=== Fitodika araka an'i Siméon Rajaona ===
=== Fitodika araka an'i Siméon Rajaona ===
Araka ny mpahay teny malagasy Siméon Rajaona dia maro ny fitodika ao amin'ny fiteny malagasy, sady tsy ny matoanteny ihany no voakasika fa ny reniteny sasany toy ny anarana sy ny mpamari-toetra koa.
Tsy navahan'ilay mpahay teny Siméon Rajaona ny hoe fitodika sy ny hoe fiendrika. Araka ny mpahay teny malagasy dia maro ny fitodika ao amin'ny fiteny malagasy, sady tsy ny matoanteny ihany no voakasika fa ny reniteny sasany toy ny anarana sy ny mpamari-toetra koa. Naorin'ilay mpahay teny amin'ny endriky ny [[tsirinteny]] ao amin'ny matoanteny na amin'ny sokajin-d[[reniteny]] hafa azo atao entimilaza sy ny karazana [[Fameno (fitsipiteny)|fameno]] azo atao [[Lazaina (fitsipiteny)|lazaina]] ampiarahina aminy izany fanavahana ireo karazana fitodika izany.


==== Fitodika mahakasika ny matoanteny ====
==== Fitodika mahakasika ny matoanteny ====
Andalana faha-26: Andalana faha-27:


=== Fitodika sy fiendrika araka an-Rabenilaina ===
=== Fitodika sy fiendrika araka an-Rabenilaina ===
Ny fitodika sy ny fiendrika dia tsy mahakasika afa-tsy ny [[matoanteny]]. Ny hoe ''fitodika'' sy ny ''fiendrika'' dia anarana roa iantsoana zavatra roa samy hafa ao amin'ny fiteny nefa misy ifandraisany, ka ny voalohany mahakasika ny endriky ny matoanteny ary ny faharoa kosa momba ny hevitry ny matoanteny.
Araka ny hevitr'ilay mpahay teny atao hoe Rabenilaina Roger-Bruno dia tsy mahakasika afa-tsy ny [[matoanteny]] ny fitodika sy ny fiendrika. Ny hoe ''fitodika'' sy ny ''fiendrika'' dia anarana roa iantsoana zavatra roa samy hafa ao amin'ny fiteny nefa misy ifandraisany, ka ny voalohany mahakasika ny endriky ny matoanteny ary ny faharoa kosa momba ny hevitry ny matoanteny.


==== Fiendrika ao amin'ny fiteny malagasy ====
==== Ny fiendrika araka an-Rabenilaina ====
Ny fiendrika dia mianina amin'ny endriky ny tsirinteny amin'ny matoanteny tsy ampifandraisina amin'ny fifandraisany amin'ny vara sy ny fameno. Ireto avy ireo fiendrika ireo:
Ny fiendrika dia miankina amin'ny endriky ny tsirinteny amin'ny matoanteny tsy ampifandraisina amin'ny fifandraisany amin'ny [[Vara (fitsipiteny)|vara]] sy ny fameno. Ireto avy ireo fiendrika ireo:


*Fiendrika mañano: ''Mikapa hazo amin'ny antsy ny ankizy''. ''Mitaraina ny vahoaka noho ny ataon'ny mpitondra''.
*Fiendrika mañano: ''Mikapa hazo amin'ny antsy ny ankizy''. ''Mitaraina ny vahoaka noho ny ataon'ny mpitondra''.
Andalana faha-35: Andalana faha-36:
* Fiendrika añanovana: ''Ikapan'ny ankizy ny hazo ny antsy''.
* Fiendrika añanovana: ''Ikapan'ny ankizy ny hazo ny antsy''.


==== Fitodika ao amin'ny fiteny malagasy ====
==== Ny fitodika araka an-Rabenilaina ====
Ny fitodika dia miankina amin'ny hevitry ny matoanteny mifandray amin'ny vara sy ny fameno. Ireto avy ireo fitodika ireo izay misokajy roa:
Ny fitodika dia miankina amin'ny hevitry ny matoanteny mifandray amin'ny vara sy ny fameno. Ireto avy ireo fitodika ireo izay misokajy roa:


Andalana faha-48: Andalana faha-49:


* Fitodika toejavatra
* Fitodika toejavatra
* Fitodika zoina (iharana, fitaovana, tanty, tolorana, toerana, alalana).
* Fitodika zoina

Ny fitodika toejavatra dia misy karazany maro:

*Fitodika toejavatra fotoana: ''Isakafoanana matetika ny antoandro''.
*Fitodika toejavatra toerana: ''Ananangonany ahitra ny any an-tsaha''.
*Fitodika toejavatra fomba: ''An-katezerana no namaliany ny fanontaniako''.
*Fitodika toejavatra antony: ''Ahazoana entana maro ny fihenam-bidy''.

Ny fitodika zoina dia misy karazany enina:

*Fitodika zoina iharana: ''Kapohina kibay ny omby''.
*Fitodika zoina fitaovana: ''Akapoka ny omby ny kibay''.
*Fitodika zoina tanty: ''Rosoana sakafo ny olona nasaina''.
*Fitodika zoina tolorana: ''Ivarotako ny fiarako ilay mpanan-karena''.
*Fitodika zoina toerana: ''Ijanonan'ny fiara ny eo amoron-dalana''.
*Fitodika zoina alalana: ''Anenjehana lambo ny alika''.


== Fiendrika ao amin'ireo fiteny eoropeana ==
== Fiendrika ao amin'ireo fiteny eoropeana ==

Endrik'io pejy io tamin'ny 5 Febroary 2019 à 06:22

Ny fiendrika na fitodika dia toetra ara-pitsipiteny ananan'ny teny amin'ny sokajin-teny sasany, indrindra ny matoanteny (atao entimilaza), izay hita taratra amin'ny fiovan'endrik'ilay teny sy ny heviny ka mampitodika io teny io amin'ny lazaina. Ny fiendrika fantatra indrindra ao amin'ny fiteny maro dia ny fiendrika mpanao sy ny fiendrika iharana. Ao amin'ny fiteny malagasy dia mbola ahitana ny fiendrika na fitodika mpamari-toe-javatra. Arakaraka ny mpahay teny no anavahana na tsia ny atao hoe fitodika sy fiendrika.

Fiendrika sy fitodika ao amin'ny fiteny malagasy

Nivoatra avy amin'ny fakana tahaka ny fitsipiteny tranainy ho an'ny fiteny eoropeana ka nankaty amin'ny fitsipiteny vokatry ny fikarohana amin'ny haiteny malagasy ny fandalinana ny amin'ny atao hoe fiendrika na fitodika ao amin'ny fiteny malagasy. Ny mpahay teny rehetra amin'izao anefa mbola tsy mitovy hevitra ny amin'izany, ka ny tena fantatra dia ny fitsipiteny araka ny haiteny ara-drafitra izay notarihin'i Siméon Rajaona sy ny fitsipiteny araka ny haiteny ara-piofohana tarihin-Rabenilaina Roger-Bruno.

Fitodika araka an'i Siméon Rajaona

Tsy navahan'ilay mpahay teny Siméon Rajaona ny hoe fitodika sy ny hoe fiendrika. Araka ny mpahay teny malagasy dia maro ny fitodika ao amin'ny fiteny malagasy, sady tsy ny matoanteny ihany no voakasika fa ny reniteny sasany toy ny anarana sy ny mpamari-toetra koa. Naorin'ilay mpahay teny amin'ny endriky ny tsirinteny ao amin'ny matoanteny na amin'ny sokajin-dreniteny hafa azo atao entimilaza sy ny karazana fameno azo atao lazaina ampiarahina aminy izany fanavahana ireo karazana fitodika izany.

Fitodika mahakasika ny matoanteny

Ireto avy ny fitodika mahakasika ny matoanteny:

  • Fitodika mpanao: Mikapa hazo amin'ny antsy ny ankizy.
  • Fitodika sehatra: Mitaraina ny vahoaka noho ny ataon'ny mpitondra.
  • Fitodika iharana: Kapain'ny ankizy amin'ny antsy ny hazo.
  • Fitodika atao: Aketsa ny vary.
  • Fitodika fitaovana: Akapan'ny ankizy ny hazo ny antsy.
  • Fitodika mpamari-toe-javatra: Ikapan'ny ankizy ny hazo ny antsy.
  • Fitodika mpampanao: Mampikapa hazo ny ankizy ny mpampianatra.
  • Fitodika mpifanao: Mifampikapa amin'ny antsy ny ankizy.

Fitodika tsy mahakasika ny matoanteny

  • Fitodika tsaraina: Tsemboka ilay mpangalatra.
  • Fitodika tompon-javatra: Fotsy volo izany lehilahy izany.
  • Fitodika mpamari-toe-javatry ny tsaraina: Nahatsemboka ilay mpangalatra ny fanenjehana azy.
  • Fitodika mpamari-toe-javatry ny tompon-javatra: Ny fahasahiranana no nahafotsy volo izany lehilahy izany.

Fitodika sy fiendrika araka an-Rabenilaina

Araka ny hevitr'ilay mpahay teny atao hoe Rabenilaina Roger-Bruno dia tsy mahakasika afa-tsy ny matoanteny ny fitodika sy ny fiendrika. Ny hoe fitodika sy ny fiendrika dia anarana roa iantsoana zavatra roa samy hafa ao amin'ny fiteny nefa misy ifandraisany, ka ny voalohany mahakasika ny endriky ny matoanteny ary ny faharoa kosa momba ny hevitry ny matoanteny.

Ny fiendrika araka an-Rabenilaina

Ny fiendrika dia miankina amin'ny endriky ny tsirinteny amin'ny matoanteny tsy ampifandraisina amin'ny fifandraisany amin'ny vara sy ny fameno. Ireto avy ireo fiendrika ireo:

  • Fiendrika mañano: Mikapa hazo amin'ny antsy ny ankizy. Mitaraina ny vahoaka noho ny ataon'ny mpitondra.
  • Fiendrika anoina: Kapain'ny ankizy amin'ny antsy ny hazo. Aketsa ny vary. Akapan'ny ankizy ny hazo ny antsy.
  • Fiendrika añanovana: Ikapan'ny ankizy ny hazo ny antsy.

Ny fitodika araka an-Rabenilaina

Ny fitodika dia miankina amin'ny hevitry ny matoanteny mifandray amin'ny vara sy ny fameno. Ireto avy ireo fitodika ireo izay misokajy roa:

1. Fitodika fototra

  • Fitodika mihatra
  • Fitodika tsy mihatra
  • Fitodika mamoatra
  • Fitodika mitoina

2. Fitodika sampana

  • Fitodika toejavatra
  • Fitodika zoina

Ny fitodika toejavatra dia misy karazany maro:

  • Fitodika toejavatra fotoana: Isakafoanana matetika ny antoandro.
  • Fitodika toejavatra toerana: Ananangonany ahitra ny any an-tsaha.
  • Fitodika toejavatra fomba: An-katezerana no namaliany ny fanontaniako.
  • Fitodika toejavatra antony: Ahazoana entana maro ny fihenam-bidy.

Ny fitodika zoina dia misy karazany enina:

  • Fitodika zoina iharana: Kapohina kibay ny omby.
  • Fitodika zoina fitaovana: Akapoka ny omby ny kibay.
  • Fitodika zoina tanty: Rosoana sakafo ny olona nasaina.
  • Fitodika zoina tolorana: Ivarotako ny fiarako ilay mpanan-karena.
  • Fitodika zoina toerana: Ijanonan'ny fiara ny eo amoron-dalana.
  • Fitodika zoina alalana: Anenjehana lambo ny alika.

Fiendrika ao amin'ireo fiteny eoropeana

Roa na telo ny fiendrika fantatra indrindra ao amin'ireo fiteny eoropeana: ny fiedrika mpañano sy ny fiendrika anoina. Manampy azy ireo ny fiendrika mpisolo na ny fiendrika anelanelany.

Jereo koa: