Mande (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Mande dia vondrom-poko afrikana teratany miteny mande. Ny foko isan-karazany miteny mande dia hita indrindra any amin' ny tapany andrefan' i Afrika Andrefana. Mizara roa ny mpiteny mande: ny Mande Atsinanana sy ny Mande Andrefana.

Ny Mandinka na Malinke na Mandinga, izay sampana tandrefana amin' ny Mande, dia heverina ho nanangana ny iray amin' ny empira lehibe indrindra any Afrika Andrefana. Anisan' ny foko lehibe miteny mande ny Sôninke sy ny Soso (Susu) ary koa ny foko kely kokoa toa ny Ligby (Ligbi) sy ny Vay (Vai) ary ny Bisa (Bissa). Mipetraka amin' ny tontolo isan-karazany ny olona miteny mande, manomboka amin' ny ala mando amorontsiraka ka hatrany Sahel, izay voalamina indrindra araka ny fiteniny, ary manana fomba fahandro sy kolontsaina ary finoana isan-karazany.

Taorian' ny fifindra-monina avy any Sahara Afovoany dia nanangana ny kolontsaina Tichitt tany amin' ny faritr' i Sahara Andrefana any Maoritania ireo ny mpiteny mande, izay nanao an' i Dhar Tichitt ho foibem-paritra voalohany ary mety ho ny Faritry ny Farihy Maliana ho foibem-paritra faharoa. Tatỳ aoriana, teo amin’ ny fiafaran’ ny kolontsaina maoritaniana Tichitt, dia nanomboka niparitaka sy nanangana an' i Méma, an' i Macina, an' i Dia Shoma, ary an' i Jenne Jeno tany amin’ ny faritr’ i Nizera Afovoany sy ny Empiran' i Ganà ny vahoaka miteny mande.

Amin' izao fotoana izao, ny ankamaroan' ny mpiteny mande dia mozilmana ary ahitana lamina misy sarangam-poko. Nitana anjara toerana lehibe amin' ny famantarana ny olona miteny mande monina any amin' ny faritr' i Sahel ny finoana silamo. Ny Mandinka sy Sôninke dia nofaritana ho mihoatra ny maha isan' ny fokom-pirenena tsirairay. Ny singa ara-kolontsaina avy amin' ny mpiteny mande dia niely lavitra any amin' ireo vondrona mozilomana hafa any Afrika Andrefana izay nonina tao Sahel sy tamin' ny faritry ny hivoka. Ny mpiteny mande dia nanao raharaham-barotra izay nitombo nanaraka ny ony Niger na an-tanety, ary nahazo fandresena ara-miaramila tamin' ny fanitarana ny Empiran' i Ganà, ny Empiran' i Maly, ny Fanjakan' i Kaabu ary ny Fanjakan' i Wassoulou.

Ny Folany, ny Sôngay, ny Vôlôfo, ny Haosa, ary ny Vôltaika izay tsy miteny mande dia mitazona ambaratonga samihafa milahatra amin' ny fomba finoana sy fiheveran' ny mpiteny mande, ny fomba fiakanjony ary ny zavakanto ara-kolotsaina hafa (ohatra: tarehin-tsoratra nifampizaràna, maritrano, fnahandro, ary fitsipi-piarahamonina).