Mainty enin-dreny

Avy amin'i Wikipedia

Ny Mainty enin-dreny na Mainty, tao amin' ny Fanakana Merina ao afovoan' i Madagasikara, dia ireo andevo afaka sy ny taranany, na inona volon-kodiny na inona. Nizara telo ny Mainty na dia misy ny hoe "enin-dreny" aza ny anarany: ny Manisotra sy ny Manendy ary ny Tsiarondahy.

Tao amin' ny rafi-pitondrana merina, ny Mainty dia natokana ho amin' ny fanompoana ny mpanjaka. Avy amin' izy ireo no nakana ny ankamaroan' ny mpiambina ny mpanjaka sy ny miaramila sangany ary nisahana ny fitondrana ny hafatry ny mpanjaka. Tsy nanambady ivelan' ny foko misy azy izy amin' ny ankapobeny, indrindra amin' ny Hova na ny Andriana. Tamin' ny faran' ny taonjato faha-19, izay nanafoanana ny fanandevozana, dia lasa maro an' isa teto amin' ny firenena ny Mainty. Niara-dia tamin' ny Tanindrana ny Mainty ka nikambana tao amin' ny antoko Firaisan' ny Tanindrana sy ny Mainty-enindreny ary ny Karazany (PADESM), nanohitra ny Mouvement Démocratique de la Rénovation Malgache (MDRM). Ankehitriny dia ampiasain' ny mpanao pôlitika sasany ao amin' ny renivohitr' i Madagasikara izy ireo rehefa misy ny fanonganam-panjakana tiana hatao na ny fanohanana ny fitondram-panakana misy mpanozongozona.

Faha mpanjaka[hanova | hanova ny fango]

Ny fizaràn' ny Mainty[hanova | hanova ny fango]

Nizara telo ihany ny Mainty, raha ny marina, na dia misy ny hoe "enin-dreny" aza ny anarany. Ny voalohany dia ny Manisotra, ny faharoa dia ny Manendy, ary ny fahatelo dia ny Tsiarondahy.

Ny Manisotra[hanova | hanova ny fango]

Ny Manisotra dia taranaky ny andevo nanompo ny iray amin' ny vadin' ny mpanjaka Andriamasinavalona (taonjato faha-17), nafahana noho ny fanompoana nataony.

Ny Manendy[hanova | hanova ny fango]

Ny Manendy kosa dia toa avy amin’ny foko sakalava nivelona amin’ ny fiompiana ao Tampoketsa, avy tao izy ireo no nampijaly tsindraindray ny vohitra merina maro tamin' ny taonjato faha-18 mba hisambotra andevo hamidy amin' ny Eorôpeana eny amorontsiraka.

Ny Tsiaroàndahy[hanova | hanova ny fango]

Ny Tsiarondahy dia nampivondrona ny andevo mainty hafa nafahana tamin’ ny andron’ Andrianampoinimerina.

Anjara asany faha mpanjaka[hanova | hanova ny fango]

Nanomboka tamin' ity mpanjaka farany ity, tao amin' ny rafi-pitondrana merina vaovao, ny Mainty dia natokana ho amin' ny fanompoana ny mpanjaka. Avy amin' izy ireo no nakana ny ankamaroan' ny mpiambina ny mpanjaka sy ny 10 %n' izy ireo no nakana ny miaramila sangany. Ny Mainty hafa (atao hoe Tsimandoa) dia nisahana ny fitondrana ny hafatry ny mpanjaka tsimandoa na nanao ny asan' ny mpitandro ny filaminana, ka toy ny pôlisy. Noho izany, nahazo tombontsoa amin' ny fananana fahefana lehibe izy ireo ary tena natahoran' ny mponina. Tsy nanambady ivelan' ny foko misy azy izy amin' ny ankapobeny, indrindra amin' ny Hova na ny Andriana.

Vitsy dia vitsy izy ireo tamin' ny fiandohany tao Imerina. Nitombo haingana ny isan' ny Mainty nandritra ny taonjato faha-19, arakaraka ny fandrosoan' ny fandresen' ny Merina dia nampiditra babo maro avy any amin' ny faritra manodidina, ka maro be izay niafara tamin' ny nafahana. Hany ka tamin' ny faran' io taonjato io izay nanafoanana ny fanandevozana, dia lasa maro an' isa teto amin' ny firenena izy ireo.

Fifandraisany[hanova | hanova ny fango]

Ny Mainty dia nisafidy ny tsy hanambady ivelan' ny foko misy azy ka tsy naka vady raha tsy avy tamin' izy samy Mainty hafa ihany. Norarana mafy izy ireo tsy hifanambady amin' ny Hova na ny Andriana. Ny Hova na ny Andriana izay nanaiky ny hifanambady amin' ny Mainty dia lasa Mainty ary ho voailika tsy ho anisan' ny Hova na ny Andriana. Ny Mainty dia afaka nanana andevo izay, rehefa afaka, dia nanatevin-daharana ny Mainty.

Vitsy dia vitsy izy ireo tamin' ny fiandohany tao Imerina. Nitombo haingana ny isan' ny Mainty nandritra ny taonjato faha-19, arakaraka ny fandrosoan' ny fandresen' ny Merina dia nampiditra babo maro avy any amin' ny faritra manodidina, ka maro be izay niafara tamin' ny nafahana. Hany ka tamin' ny faran' io taonjato io izay nanafoanana ny fanandevozana, dia lasa maro an' isa teto amin' ny firenena izy ireo.

Faha fanjanahantany[hanova | hanova ny fango]

Taorian' ny Ady Lehibe Faharoa, ny Mainty dia niara-dia tamin' ny Tanindrana ka hamorona ny Parti des Déshérités de Madagascar (PADESM), izay atao amn' ny teny malagasy hoe Firaisan' ny Tanindrana sy ny Mainty-enindreny ary ny Karazany, manohitra ny fitakiana fahaleovan-tena nataon' ny Mouvement Démocratique de la Rénovation Malgache (MDRM), antoko nanjakan’ ny Hova sy ny Andriana merina, izay nahiahiny ho te hamerina ny fanjakazakan' ny Andriana merina sy Hova.

Taorian' ny fanafoanan' ny Frantsay ny MDRM, noho ny zava-nitranga tamin’ ny taona 1947, dia nesorin' ny Tanindrana ny solontena Mainty ao amin' ny farimbona vaovaon' ny mpitarika izay nanankinan’ ny fahefana mpanjanaka ny fitantanana ny Repoblika Malagasy mahaleo tena.

Ankehitriny[hanova | hanova ny fango]

Ankehitriny dia mahatsiaro iharan' ny fanavakavahana ny Mainty, izay mbola misy milaza azy ireo ho andevo na dia efa tsy misy eto Madagasikara ity sarangam-poko ity, indrindra nanomboka tamin' ny fanjanahan-tany frantsay.

Ampiasain' ny mpanao pôlitika ao amin' ny renivohitr' i Madagasikara koa izy ireo rehefa misy ny fanonganam-panjakana tiana hatao na ny fanohanana ny fitondram-panakana misy mpanozongozona. Izy ireo no an' isan' ny amporisihina handingana ny faritra mena ka maro no maty voatifitra vokatr' izany. Izy ireo ihany koa no irahina hanohitra ny fihetsiketsehana, rehefa tsy mahatosika na tsy tiana hitsabaka ny mpitandro filaminana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Fanovozan-kevitra[hanova | hanova ny fango]