Andriamasinavalona

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny mpanjaka Andriamasinavalona (1675-1710) izay fantatra amin'ny anarana Andrianjakanavalondambo, dia mpanjakan'Imerina. Nitondra fiovana lehibe tamin’ny lafiny ara-tsosialy, ara-politika ary ara-toe-karena tao Imerina ilay mpanjaka. Ny lehibe indrindra tamin’ny zavatra nentiny dia ny fanitarana ny tany anjakany ary ny fampiadanana ary fampiraisana ny tanin’andriana a izay raikitra tanaty ady ary herisetra. Antananarivo no renivohiny ary niitatra avy teo. Ny lapan’ny mpanjaka teo amin’ny vohitr’i Analamanga ny tanàna.Nanana zandry mirahalahy iray reny aminy Andriamasinavalona dia Andriakazomangabemanefoefo (ilay zanak'Andriatsimitoviaminandriandehibe notolorany ny hazomanga) sy Andriamanalinarivo faralahy. Rehefa norombahin'Andriamasinavalona ny fanjakana dia niala tao Bevato teny Ambohimanga izy mirahalahy ireo ka lasa nitoetra teny Ankazomanga (Noho ny Mpitakazomanga nonina teo no maha Ankazomanga io tanana io fa tsy misy zavamaniry antsoina hoe hazomanga naniry teo akory). Rehefa tsy voavaha ny disadisa teo aminy sy ireto zandiny roalahy ireto satria tsy nety nanao ny asan'ny Mpitakazomanga ho an'Andriamasinavalona ireto zandriny dia naka ny Antaimoro anakara izy hanao ny asan'ny Mpitakazomangany. Vokany niala teto Imerina ireo zandriny ireo ka lasa nametrabeloma tany amin'ny anabaviny tany Fanogoavana Ranavalonatsimitovy) avy eo lasa nakany Itasy tany amin'ireo havany tany izay vao lasa nianatsimo niaradia tamin'ireo Andriana nifindra monina toa an'Andrianony sy ry Andriajafimasoandro. Any Sahamananina Fandriana Andriakazomangabemanefoefo no nipetraka ka Fanndriana ,Miarinavaratra ,Soanindrariny sy ny manodidina no misy ny taranany ary ao Ambohimanga akaikin'i Vinanikarena kosa no nitoetra Andriamanalinarivo sy ny taranany (Vakio ao amin'ny google ny "le royaume d'Ambohidranandriana archeologie et traditions orales page 57,58 et 61 ). Rehefa izany dia napetr' Andriamasinavalona tao ny zanany Andriantsimitoviaminandriandrazaka. Lasa Toeran-dova Eran-tany (World Heritage Site) an’i UNESCO ilay vohitr’Andriana.

Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.