Tsiarondahy

Avy amin'i Wikipedia

Ny Tsiarondahy dia iray amin' ireo foko telo ao amin' ny sarangam-poko fahatelo amin' ny efatra, atao hoe Mainty, teo amin' ny Fanjakana Merina, taranaka andevo nefa efa nafahana noho ny fanompoana nataony, ka ny foko roa hafa ao amin' ny Mainty dia ny Manisotra sy ny Manendy, fa ny sarangam-poko telo hafa ivelan' ny Mainty dia ny Andriana sy ny Hova ary ny Andevo.

Ny Tsiarondahy, na "Mainty telo reny", dia andevo nafahana tamin' ny andron' Andrianampoinimerina. Ao amin' ny faitra Ambohipoloalina sy Manjakaray ary Faliary-Tanjombato no misy azy ireo. Avy amin' izy ireo no nakan' ny mpanjaka ny tandapa (mpikarakara an-trano) sy ny tandonaka (hova lasa andevo nefa nafahana) ary ny tsimandoa (mpitondra ny hafatry ny mpanjaka). Tsy mandoa hetra izy ireo.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Fanovozan-kevitra[hanova | hanova ny fango]