Manisotra

Avy amin'i Wikipedia

Ny Manisotra dia iray amin' ireo vondron' olona na foko telo ao amin' ny sarangam-poko fahatelo amin' ny efatra, atao hoe Mainty, teo amin' ny Fanjakana Merina, taranaka andevo nefa efa nafahana nafahana noho ny fanompoana nataony, ka ny foko roa hafa ao amin' ny Mainty dia ny Manendy sy ny Tsiarondahy, fa ny sarangam-poko telo hafa ivelan' ny Mainty dia ny Andriana sy ny Hova ary ny Andevo. Ao amin' ny faritra Vakinisisaony, no fiaviany. Mandoa hetra izy ireo. Araka ny lovantsofina dia tarana-bazimba, toy ny Antehiroka sy ny Manendy, ny Manisotra.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Faha mpanjaka[hanova | hanova ny fango]

Taranaky ny mpanompon-dRasahala, iray amin' ny vadin' Andriamasinavalona ny Manisotra. Noho ny fahafaham-pon' ny ankohonan' Andriamasinavalona vokatry ny asa fanompoana nataon' izy ireo dia tsy natao andevo intsony izy ireo fa nisaina ho "Ambaniandro" sady nomena tany manokana honenany, dia teny Ambohitraina, andrefan' Andoharanofotsy. Nihatsara hatrany ny satany taty aoriana, tamin' ny nandreseny ny andriana tsy nety nanoa an' Andriamasinavalona tao Ambohijoky, dia nomena azy ho fonenany koa ity tanàna ity. Nanomboka tamin' izay dia natao hoe "Manisotra" ny anaran' izy ireo satria "nanaisotra" ilay andriana tsy nanoa.

Tamin' ny andron’ Andrianampoinimerina izy ireo dia nanampy an' ity mpanjaka ity izy ireo na tamin' ny ady na tamin' ny fandaminana ny fanjakana ka lasa nitokisany fatratra. Araka ny didin' Andrianampoinimerina dia izy ireo no zokiben' ny samy Mainty (na dia tsy nankasitraka izany aza ny Manendy) satria nandresy an' Ambohibeloma Avaratra izay tsy azon' ny mpanjaka Andrianampoinimerina raha tsy tamin' ny alalan' izy ireo.

Faha fanjanahan-tany[hanova | hanova ny fango]

Niara-dia tamin' ny Tanindrana ka hamorona ny Parti des Déshérités de Madagascar (PADESM), izay atao amn' ny teny malagasy hoe Firaisan' ny Tanindrana sy ny Mainty-enindreny ary ny Karazany, manohitra ny Mouvement Démocratique de la Rénovation Malgache (MDRM), izay nahiahiny ho te hamerina ny fanjakazakan' ny Andriana merina sy Hova taloha.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Fanovozan-kevitra[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]