Mônastisisma

Avy amin'i Wikipedia
Ny Mônasteran' i Mar Saba ao amin' ny Lohasahan' i Cedrom, ao amin' ny Taniefitr' i Jodea, Jôrdania Andrefana.

Ny mônastisisma na mônasisma dia toejavatra sy fomba fiainan' ny olona izay nanao voady ara-pivavahana sady tafiditra ao anatin' ny fikambanana misy mpikambana miaina araka ny fitsipika iraisana, tsy manam-pifandraisana amin' izao tontolo izao. Izany dia mahakasika ny moanina (na monka) sy ny relijiozy vavy.

Ny teny hoe mônastisisma sy mônasisma dia avy amin' ny teny grika hoe monos izay midika hoe "tokana", "mitokana" ary indrindra indrindra "tokan-tena", "tsy manambady".

Ny rafitra fantatra amn' ny mônastisisma fantatra voalohany dia ny an' ny bodisma teravada, taonjato dimy amby roapolo lasa izay. Ao amin' ny bodisma, ny mônastisisma dia iray amin' ireo "fialofana telo" na "fiarovana telo" (त्रिशरणा / triśaraṇā), izay mety indrindra ho an' ny fisaintsainana izay fototry ilay fanao.

Ao amin' ny kristianisma, araka ny fomba mahazatra, ny mônastisisma dia niseho manodidina an' i Pakômiôsy Lehibe (na Pakômio Lehibe), tokony tamn' ny taona 329 tany Ejipta, akaikin' i Nag Hammadi. Tamin’ ny fanenjehana nataon' ny emperora Diôkletiano tamin’ ny taona 306 dia nialokaloka tany an' efitra ny kristiana aleksandriana maro.

Na dia tsy mitovy amin' ny fomba fijery kristiana momba ny mônastisisma aza izany, i Ejipta tamin' ny Andro Taloha dia nanana fanao momba ny fihibohana ("katochoi") nanodidina ny tempolin' ny andriamanitra Serapisy i Ejipta. Noho izany, ny fahaterahan' ny mônastisisma kristiana tany Ejipta dia niorina amin' ny fitohizan' ny fanao teo an-toerana momba ny asketisisma. Araka ny voalazan' i Filôna avy any Aleksandria, ny Therapeutai (sekta jiosy helenista nmpahantra tena) no mety mpialoha lalana ny fikambanana mônastika kristiana voalohany.

Teo anelanelan' i Jerosalema sy ny Ranomasina Maty, i Karitôna dia nampiditra ny mônastisisma voalohany indrindra tao amin' ny Taniefitr' i Jodea tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-4, izay niandohan' ny mônastera telo (atao hoe lavra). Tamin' ny faran' ny taonjato faha-5 dia nanangana ny Lavra Lehibe izay atao hoe koa Mônasteran' i Mar Saba i Masindahy Sabasy (Σάββας ὁ Ἡγιασμένος / Sabbas o Hêgissmenos).

Ao amin' ny finoana silamo, ny hadita iray izay heverina fa an' i Mohamady dia nilaza fa "tsy misy mônastisisma ny ao amin' ny finoana silamo", nefa ny maha azo itokiana an' io hadita io izay efa niadian-kevitra hatry ny ela no tena nampirongatra ny fikambanan' ny mpirahalahy sofy (atao hoe Tariqa).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]