Loba (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Ireo lehiben' ny Baloba tamin' ny taona 1905.

Ny Loba na Baloba dia vahoaka banto ao Afrika Afovoany izay monina indrindra ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô (RDK), niorim-ponenana eo anelanelan' ny ony Kasai sy ny Farihy Tanganyika, indrindra ao amin' ny faritanin' i Kasaï, Kasaï-Oriental, Sankuru, Lomami, Kasaï-Central ao amin' ny farintanin' i Katanga taloha. Anisan' ny vahoaka maro anisa indrindra tamin' ny faritra misy azy taloha izy ireo. Ahitana azy ireo vitsy koa ny ao amin' ny firenana akaiky ny RDK ao amin' ny tapany atsimon' i Afrika, indrindra ao Zambia sy ao Angôla.

Ny anarany[hanova | hanova ny fango]

Ireto avy ny fomba mety hanoratana io anarana io: Balouba, Baluba-Bambo, Baluba, Ba-Luba, Balubas, Kaluba, Kayumba, Kiluba, Laba, Louba, Loubas, Luba centraux, Luba du Kasaï, Luba du Katenga, Luba du Shaba, Luba-Kasaï, Luba-Katanga, Luba-Lubilashi, Luba occidentaux, Luba-Shabanki, Luba-Shaba, Luba-Shakandi, Luba-Shandaki, Lubas,Mulongo, Nkondja, Nkulu, Tshiluba, Waluba, Warua.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Araka ny lovantsofin' ny Baloba dia razambe iray, atao hoe Kongolo, no nipoiran' izy ireo, ary ny fakàn' ny vinantolahiny (atao hoe Illunda Kalala) mpanorina ny fanjakana masina sy mpihazona ny hery sy ny fahefana (atao hoe bulopwe) ampitaina amin' ny taranaka lahy irery ihany.

Fahefan' ny lehiben-tanàna no fandalinana ara-pôlitika nisy tamin' ny voalohany nefa lasa fanjakà-mpanjaka maro izany (tokony ho tamin' ny taonjato faha-16). Tsy afaka nitambatra hanohitra ny vahoaka mpifanila tany aminy izay mazoto kokoa ny Baloba ary rava ny firaisan-kinany tamin' ny faran' ny fiafaran' io taonjato io nanoloana ny Toôkoe sy ny Ieke.

Fivelomana[hanova | hanova ny fango]

Mpamboly ny Baloba ary malaza amin' ny fahaizany manao sary sokitra hazo mampihetsi-po, izay tsy ialalan' ny fampisehoana sarim-behivavy.

Fiteny[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny tsiloba sy ny fiteny kiloba no fitenin' izy ireo. Misy koa ny miteny soahily. Miisa 7 tapitrisa any ho any izy ireo ankehitriny.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]