Levitikosy toko faha-11

Avy amin'i Wikipedia

Ny Levitikosy toko faha-11 na Levitika faha-11 dia toko ao amin' ny Bokin' ny Levitikosy na Levitika ao amn' ny Baiboly.

Lahatsoratra[hanova | hanova ny fango]

Dikanteny katôlika malagasy[hanova | hanova ny fango]

1 Ary niteny tamin' i Moizy sy Aarona Iaveh nanao tamin' izy ireo hoe:

2 Mitenena amin' ny zanak' Israely ka lazao hoe: Izao no ho biby fihinanareo amin' ny biby rehetra eto ambonin' ny tany: 3 Ny biby rehetra mivaky kitro sy misampan-tongotra ary mandinika no hohaninareo; 4 fa ny mandinika fotsiny na mivaky kitro fotsiny tsy hohaninareo. Ohatra ny rameva, izay mandinika nefa tsy mivaky kitro, dia ho maloto aminareo. 5 Ohatra ny zerboaza, izay mandinika fa tsy mivaky kitro, dia ho maloto aminareo. 6 Ohatra ny bitro, izay mandinika fa tsy misampan-tongotra, dia ho maloto aminareo. 7 Ohatra ny kisoa, izay mivaky kitro sy misampan-tongotra nefa tsy mandinika, dia ho maloto aminareo. 8 Koa aza mihinana ny henany, na mikasika izay fatiny akory, fa maloto aminareo ireny. 9 Izao kosa no ho biby fihinanareo, amin' ny biby rehetra ao anaty rano: Izay rehetra misy vombony sy misy kirany ao anaty rano, na ao an-dranomasina, na ao an-drenirano, no hohaninareo.

10 Fa ho fahavetavetana ho anareo kosa izay tsy misy vombony na kirany, na ny ao an-dranomasina, na ny ao an-drenirano, amin' ny biby rehetra mihetsiketsika ao anaty rano, sy amin' ny zava-manan' aina rehetra misy ao. 11 Ho fahavetavetana aminareo ireny, ka aza mihinana ny henany, ary ataovy ho zava-betaveta ny fatiny. 12 Izay tsy misy vombony na kirany ao anaty rano, dia ho zava-betaveta avokoa aminareo. 13 Amin' ny vorona kosa, dia ireto no ho zava-betaveta ho anareo ka tsy hohanina, fa zava-betaveta:

14 ny egla, ny arofiray, ny papango, ny fanindry, ny voromahery isan-karazany, 15 ny goaika isan-karazany; 16 ny aostritsa, ny tararaka, ny vorondriaka, ny hitsikitsika isan-karazany; 17 ny vorondolo, ny manarana, ny vorondolobe, 18 ny gisabe, ny pelikano, ny zipaety, 19 ny vanobe, ny vano isan-karazany; ny lavasanga, ny ramanavy. 20 Ny biby madinika rehetra manan'elatra, mandia tongotr' efatra, ho zava-betaveta aminareo.

21 Amin' ny biby madinika manan' elatra mandia tongotr' efatra anefa, hano ihany izay manam-pingotra ambony faladiany, hitsipihany eo amin' ny tany. 22 Ireto no ho fihinanareo amin' ireny: ny valala isan-karazany, ny solama isan-karazany, ny hargola isan-karazany, ny hagaba isan-karazany. 23 Fa ny biby hafa manan' elatra mandia tongotr' efatra, dia ho zava-betaveta aminareo avokoa. 24 Izao koa no hahaloto anareo, ka na zovy na zovy hikasika ny fatiny, dia haloto mandra-paharivan' ny andro;

25 ary na zovy na zovy hitondra tapaky ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan' ny andro. 26 Ny biby rehetra mivaky kitro, nefa tsy misampan-tongotra sy tsy mandinika, dia haloto aminareo, ka haloto izay rehetra mikasika azy. 27 Amin' ny biby mandia tongotr' efatra, izay mandeha amin' ny faladiany dia haloto aminareo, ka haloto mandra-paharivan' ny andro izay rehetra mikasika ny fatiny; 28 ary izay rehetra nitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan' ny andro. Ho zava-maloto aminareo ireo biby ireo. 29 Amin' ny biby madinika mandady amin' ny tany, ireto no ho maloto aminareo: ny kionkiona, ny totozy, ny androngo isan-karazany;

30 ny mosaraina, ny tanalahy, ny salamandry, ny tsatsaka, ary ny taopy. 31 Ireo no ho maloto aminareo amin' ny biby mandady; ka haloto mandra-paharivan' ny andro izay rehetra mikasika ny fatin' ireo. 32 Haloto avokoa ny zavatra ilatsahan' ny fatin' ireo, na fanaka hazo, na fitafiana, na hoditra, na lasaka, na inona na inona zavatra ampiasaina, ka hapetraka ao anaty rano izany ary haloto mandra-paharivan' ny andro, vao hadio. 33 Ary raha misy zavatra avy amin' ireny sendra tafalatsaka ao anatin' ny vilany tany, dia haloto avokoa izay rehetra ao anatin' ny vilany, ka homontsaninareo ny vilany. 34 Haloto ny zava-pihinana rehetra nandrahoina tamin' ny rano, haloto ny zava-pisotro izay isotroana na inona tavy misy azy. 35 Haloto avokoa ny fanaka ilatsahan-javatra avy amin' ny fatin' ireny, ka ravàna ny lafaoro mbamin' ny vilany aman-tsarony, fa haloto izy, ka hataonareo ho zava-maloto. 36 Ny loharano anefa mbamin' ny lavaka fantsakana izay fiangonan-drano, dia hitoetra ho madio ihany, fa izay mikasika ny fatin-javatra no haloto. 37 Raha voa hafafy no ilatsahan-javatra avy amin' ny fatin' ireny, dia hitoetra ho madio ihany; 38 raha nasian-drano anefa ny voa hafafy, no nianjeran-javatra avy amin' ny fatin' ireny, dia hataonareo ho zava-maloto. 39 Raha biby azonareo hanin-kena no maty, izay mikasika ny fatiny haloto mandra-paharivan' ny andro,

40 ary izay mihinana ny fatiny, hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan' ny andro; izay hitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan' ny andro. 41 Ny biby rehetra mandady amin' ny tany dia ho zava-betaveta aminareo, ka tsy hohanina.

42 Aza misy haninareo rahefa mety ho biby mandady amin' ny tany, na ireo mikisaka amin' ny kibony, na ireo mandia tongotr' efatra, na ireo manana tongotra maro, fa ho zava-betaveta ireny aminareo. 43 Aza mametaveta ny tenanareo amin' ireny biby mandady rehetra ireny; aza mandoto ny tenanareo amin' ireny fa hahazo loto avy amin' ireny hianareo. 44 Fa izaho no Iaveh Andriamanitrareo, ka hanamasina ny tenanareo hianareo dia ho masina satria masina aho; aza mandoto ny tenanareo amin' izay biby rehetra mandady amin' ny tany.

45 Fa izaho no Iaveh nampiakatra anareo avy any amin' ny tany Ejipta, mba ho Andriamanitrareo. Aoka ho masina hianareo, satria masina aho. 46 Izany no lalàna momba ny biby mandia tongotr' efatra, ny vorona, ny zava-miaina rehetra mihetsiketsika ao anaty rano, ary izay rehetra mandady amin' ny tany,

47 mba hanavahanareo izay maloto sy izay madio ary ny biby fihinana sy izay tsy fihinana.

Dikanteny prôtestanta malagasy[hanova | hanova ny fango]

1Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe: 2 Mitenena amin' ny Zanak' Isiraely hoe: Izao no ho fihinanareo amin' ny biby rehetra ambonin' ny tany: 3 Izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony, sady mandinika izy, no ho fihinanareo. 4 Kanefa amin' izay mandinika sy mivaky kitro dia izao kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy; 5 ary ny hyraka, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy; 6 ary ny rabitro, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro; maloto aminareo izy; 7 ary ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy ka misaraka tsara ny kitrony, nefa tsy mba mandinika izy: maloto aminareo izy. 8 Ny henan' ireny tsy ho fihinanareo, ary ny fatiny tsy hokasihinareo akory; zava-maloto aminareo ireny.

9 Ary amin' izay rehetra ao anatin' ny rano dia izao no ho fihinanareo: Izay rehetra misy vombony sy kirany ao anaty rano, na ao anatin' ny ranomasina, na ao anatin' ny ony, no ho fihinanareo; 10 fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa, na ao anatin' ny ranomasina, na ao anatin' ny ony, na amin' izay rehetra mihetsiketsika ao anaty rano sy amin' ny zava-manan' aina izay ao anaty rano; fahavetavetana aminareo ireny; 11 eny, ho fahavetavetana aminareo ireny; tsy ho fihinanareo ny nofony, ary hataonareo ho zava-betaveta ny fatiny. 12 Izay rehetra tsy misy vombony na kirany ao anaty rano dia ho zava-betaveta aminareo. 13 Ary izao no ho zava-betaveta aminareo amin' ny vorona ka tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta izy: ny voltora sy ny gypa sy ny ankoay 14 ary ny papango sy ny voromahery, isan-karazany, 15 ary ny goaika rehetra, isan-karazany, 16 ary ny ostritsa sy ny tararaka sy ny vorondriaka sy ny hitsikitsika, isan-karazany, 17 ary ny vorondolo sy ny manarana sy ny vorondolo lehibe 18 ary ny ibisa sy ny sama ary ny voltora madinika 19 sy ny vano sy ny vanobe, isan-karazany, ary ny takidara sy ny manavy. 20 Ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra dia ho zava-betaveta aminareo; 21 nefa izao kosa no ho fihinanareo amin' ny zava-mandady izay manana elatra sady mandia tongotra efatra, dia izay manam-pingotra ambonin' ny faladiany hitsipihany eo amin' ny tany. 22 Amin' ireny dia izao no ho fihinanareo; ny valala, isan-karazany, ny solama, isan-karazany, ary ny hargola, isan-karazany, ary ny hagaba, isan-karazany. 23 Fa ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra afa-tsy ireo dia ho zava-betaveta aminareo. 24 Dia Ireo no ho zava-maloto aminareo; ary izay rehetra mikasika ny fatiny dia haloto mandra-paharivan' ny andro. 25 Ary izay rehetra mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ary haloto mandra-paharivan' ny andro. 26 Ny biby rehetra izay mivaky kitro, nefa tsy mba misara-kitro tsara sady tsy mandinika, dia ho zava-maloto aminareo; haloto izay rehetra mikasika azy. 27 Ary izay rehetra mandeha amin' ny faladiany, amin' ny biby rehetra izay mandia tongotra efatra, dia zava-maloto aminareo; haloto mandra-paharivan' ny andro izay rehetra mikasika ny fatiny. 28 Ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ka haloto mandra-paharivan' ny andro; ho zava-maloto aminareo ireny. 29 Ary izao no haloto aminareo amin' ny biby izay mandady na mikisaka amin' ny tany: ny kionkiona sy ny totozy ary ny sitry, isan-karazany, 30 ary ny anakà sy ny koaha sy ny letaha sy ny hometa ary ny tana. 31 Ireo no maloto aminareo amin' ny biby rehetra izay mandady na mikisaka; izay rehetra mikasika ny fatin' ireo dia haloto mandra-paharivan' ny andro. 32 Ary izay zavatra rehetra ilatsahan' ny fatin' ireo, na fanaka hazo, na fitafiana, na hoditra, na lasaka, izay mety ho fanaovan-javatra na inona na inona, dia haloto, ka tsy maintsy hatao anaty rano izany, ary haloto mandra-paharivan' ny andro izy vao hadio. 33 Ary ny amin' ny vilany tany rehetra izay ilatsahan' ny fatin' ireo, dia haloto izay ao anatiny na inona na inona, ary ny vilany dia hovakinareo. 34 Ary ny hanina fihinana rehetra, izay asian-drano, sy ny fisotro rehetra izay sotroina dia haloto koa, na tamin' ny fanaka inona na tamin' ny fanaka inona. 35 Ary haloto izay zavatra rehetra ilatsahan' ny fatin' ireo, na fanendasana, na vilany mirakotra, dia hovakivakina izany; fa maloto ireny, ary ho zava-maloto aminareo. 36 Kanefa ny loharano na ny lavaka famorian-drano izay misy rano be dia hadio ihany; fa izay mikasika ny fatin-javatra eo no haloto. 37 Ary raha misy fatin' ireo latsaka amin' ny voan-javatra famafy, izay efa hafafy, dia hadio ihany izany. 38 Fa raha misy voan-javatra nalona tamin' ny rano ka ilatsahan' ny fatiny, dia ho zava-maloto aminareo izany. 39 Ary raha misy maty izay biby fihinanareo, dia haloto mandra-paharivan' ny andro izay mikasika ny fatiny. 40 Ary izay mihinana amin' ny fatiny dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan' ny andro; ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sady haloto mandra-paharivan' ny andro 41 Ary ny zavatra rehetra izay mandady na mikisaka amin' ny tany dia ho zava-betaveta aminareo ka tsy ho fihinana. 42 Izay rehetra mandady amin' ny kibony sy Izay rehetra mandia tongotra efatra ary izay rehetra maro tongotra, dia ny biby tehetra izay mandady na mikisaka amin' ny tany, dia tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta ireny. 43 Aza mametaveta ny tenanareo amin' izay biby mandady na mikisaka; ary aza mandoto ny tenanareo aminy, mba tsy hahaloto anareo izany. 44 Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, dia manamasina ny tenanareo, ka dia ho masina ianareo, satria masina Aho; ary aza mandoto ny tenanareo amin' izay zavatra mandady na mikisaka amin' ny tany. 45 Fa Izaho no Jehovah Izay nitondra anareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, mba ho Andriamanitrareo, ka dia ho masina ianareo, satria masina Aho.

46 Izany no lalàna ny amin' ny biby sy ny vorona sy ny zava-manan' aina rehetra izay mihetsiketsika ao anaty rano ary ny zava-manan' aina rehetra izay mandady na mikisaka amin' ny tany, 47mba hanavahana ny maloto sy ny madio, ary ny biby izay ho fihinana sy ny biby izay tsy ho fihinana.