Filazam-potoana lasa tsy efa

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Lasa tsy efa)

Ny filazam-potoana lasa tsy efa (na filazam-potoana tsy efa fotsiny) dia manambatra ny filazam-potoana lasa sy ny fanehoan-javatra tsy efa. Mifanohitra amin' ny filazam-potoana lasa tsotra izy izay milaza asa na toetra miseho amin' ny fotoana lasa voafetra. Ahitana io filazam-potoana io ny fiteny latina sy ireo fiteny nipoitra avy aminy toy ny fiteny frantsay, ny fiteny espaniôla, ny fiteny italiana, fiteny romaniana ary ny fiteny pôrtogey.

Ahitana ny filazam-potoana tsy efa koa ny fiteny tsy indô-eorôpeana sasany toy ny fiteny tiorka sy ireo fiteny semitika ary ny fiteny dravidiana sasany (fiteny ao India).

Tsy manana an' io filazam-potoana io ny fiteny jermanika toy ny fiteny anglisy sy ny fiteny alemàna: ny atao hoe Imperfekt ao amin' ny fitanisana matoanteny alemàna dia tsy tena filazam-potoana tsy efa ka izany no isafidian' ny mpanao fitsipiteny sasany ny hoe Präteritum.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]