Lalam-pirenena faha-10
Fiseho
Ny Lalam-pirenena faha-10 (RN 10) dia lalana tsy vita tara, lalam-pirenena anisan' ny sokajy faharoa eto Madagasikara, izay mirefy 512 km, mamakivaky ny Faritra Atsimo-Andrefana sy ny Faritra Androy, avy eo Andranovory mankany Ambovombe.
Famaritana
[hanova | hanova ny fango]Saika tsy ahitana asfalta tanteraka, ny lalam-pirenena faha-10 dia heverina ho iray amin'ireo lalana sarotra indrindra eto Madagasikara raha handehanana fiara[1]. Na izany aza, ny filoha Andry Rajoelina dia nanambara fa tsy ho ela ny fanombohana ny asa hanamboatra io lalana, izay vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola io, nandritra ny lahateny ho an’ny firenena tamin’ny 31 desambra 2024 [2].
Toerana andalovan' ny lalam-pirenena faha-10
[hanova | hanova ny fango]Avy any andrefana mankany atsinananaWest:
- Andranovory - fihaonanana amin' ny Lalam-pirenena faha-7 (Toliara - Fianarantsoa - Antananarivo)
- Tameantsoa - miampita ny ony Onilahy
- Betioky - Tahirin-javaboary Beza Mahafaly 35 km avaratra-atsinanana
- Ambatry
- Mahazoarivo - mihaona amin' ny lalana mankany Vohitsara sy Akazomateila (fasana mahafaly) sy Valan-javaboary Tsimanampetsotse
- Ejeda - fihaonanan-dalana mankany amorontsiraka any Itampolo sy manapaka ny renirano Linta
- Manakaralahy - miampita ny renirano Manakaralahy
- Sakoambe
- Ampanihy
- Tranoroa - miampita ny Menarandra
- Andamilamy
- Beloha
- Tsiombe
- Ambondro
- Ambovombe - mihaona amin' ny Lalam-pirenena faha-13 (RN 13: Ihosy - Tolagnaro)
- 'Tolagnaro
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano
[hanova | hanova ny fango]- ↑ Toky Berado, Just Ride Madagascar, 3 octobre 2024 (lire en ligne [archive], consulté le 1er janvier 2025)
- ↑ INFRASTRUCTURES – Le début imminent des travaux de réhabilitation de la RN10 entre Andranovory et Ambovombe " , sur 2424.mg - L'actualité à Madagascar en temps réel, 1er janvier 2025 (consulté le 1er janvier 2025)