Aller au contenu

Kinot

Avy amin'i Wikipedia

Ny kinot, izay atao amin' ny soratra hebreo hoe קינות / qinot, izay midika ara-bakiteny hoe "fitarainana"; dia lahatsoratra fitomaniana litorjika jiosy, indraindray maka endrika tononkalon' alahelo. Voasoratra amin' ny teny hebreo ny ankamaroany. Atao hoe kinah izany raha tokana.

Hita ao amin' ny Baiboly hebreo izy ireo (jereo Bokin' ny Fitomania) izay, tany am-boalohany, dia noforonina ho an' ny olona tsirairay na ho an' ny tanàna, izay mifandray indrindra amin' ny fifadian-kanina amin' ny andro fahasivin' ny volana Av (Tisha Beav), izay ahatsiarovana ny fandravana ny Tempoly voalohany sy faharoa tao Jerosalema, ankoatry ny loza hafa nanjo ny firenena jiosy. Nisy kinot hafa noforonina nanomboka tamin' izay, taorian' ny Kroazada, ny fandroahana ny Jiosy, ny Inkizisiôna espaniôla, ary ny Shoah, na dia nisy aza ny fanoherana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]