Aller au contenu

Fitomaniana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fitomaniana dia fanehoana fitarainana feno fitiavana, matetika atao amin' ny mozika na tononkalo na hira. Matetika ny fitarainana dia vokatry ny nenina na ny alahelo na ny fisaonana. Azo tononina tsotra izao ihany koa ny fitomaniana ka ahafahan' ny mpandray anjara mitaraina momba ny zavatra nanenenana na noho ny fahafatesan' ny olona iray, ary matetika miaraka amin' ny taraina na tomany. Ny fitomaniana dia anisan' ny karazan-dahatsoratra tranainy indrindra, ary misy ohatra amin' ny kolontsaina maro.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]