Kilimbazaha

Avy amin'i Wikipedia
Voan-kilimbazaha

Ny kilimbazaha dia hazo madinika na hazo misy tsilo, ao amin' ny fianakaviana Fabaceae, zana-pianakavian' ny Mimosoididae, avy any Meksika sy any Amerika Afovoany ary any amin' ny tapany avaratra amin' i Amerika Atsimo. Nampidirina tany Karaiba, tany Florida, tany Guam ary tany amin' ny firenena any Azia Atsimo-Atsinanana toa an' i Filipina ity karazan-kazo ity.

Anarany ara-tsiansa[hanova | hanova ny fango]

Atao hoe Pithecellobium dulce ny anarany ara-tsiansa, nefa indreto koa ny anarany hafa:

  • Acacia obliquifolia M.Martens & Galeotti
  • Albizia dulcis (Roxb.) F.Muell.
  • Feuilleea dulcis (Roxb.) Kuntze
  • Inga camatchili Perr.
  • Inga dulcis (Roxb.) Willd.
  • Inga javana DC.
  • Inga javanica DC.
  • Inga lanceolata sensu Blanco
  • Inga lanceolata Willd. is Pithecellobium lanceolatum
  • Inga leucantha C.Presl
  • Inga pungens Willd.
  • Mimosa dulcis Roxb.
  • Mimosa edulis Gagnep.
  • Mimosa pungens (Willd.) Poir.
  • Mimosa unguis-cati Blanco
  • Mimosa unguis-cati L. is Pithecellobium unguis-cati
  • Pithecellobium littorale Record
  • Pithecollobium dulce (Roxb.) Benth. (lapsus)

Faritra aniriany eto an-tany[hanova | hanova ny fango]

Kilimbazaha

Ny faritra voajanahary anirian' ny kilimbazaha dia eo anelanelan' ny laharam-pehintany 3° sy 28° avaratra, manomboka amin' ny morontsiraka akaikin' ny Ranomasimbe Pasifika any Meksika sy atsimon' i California, mamakivaky an' i Amerika Afovoany ka hatrany avaratr' i Kôlômbia sy i Venezoela. Any Meksika dia maniry ho azy ao amin' ny Saikinosin' i Yucatán sy any amin' ny faritra misy ampahany amin' i Tamaulipas, i San Luis Potosí, i Querétaro, i Hidalgo, i Puebla ary i Veracruz avaratra ihany koa io zavamaniry io.

Vonin' ny kilimbazaha

Nampidirina tany Filipina io karazana io nandritra ny tantaran' ny raharaham-barotry ny mpanjanatany tany am-boalohany, ary avy eo tany India, izay nanoritsoritana voalohany ilay zavamaniry ary nomena anarana tamin' ny fomba bôtanika tamin' ny taona 1795. Nanjary toy ny teratany ilay hazo ary nambolena tany amin' ny faritra samihafa ivelan' ny faritra voajanahary nahitana azy taloha, anisan' izany ny tapany atsimon' i Florida, i Kiobà, i Jamaika, i Pôrtô Rikô, i Hawaii, ary i Afrika Atsinanana. Nampidirina tany Nouvelle-Calédonie tamin' ny taonjato faha-19 io zavamaniry io noho izy azo atao fefy maharo, ny hodiny fikarakarana hoditra hasaina ary ny hazony izay tsara amin' ny fanamboarana fanaka.

Ny kilimbazaha maniry eto Madagasikara dia avy any India, nampidirina tany amin' ny 1920 teo ho eo, izay lasa zanatany, indrindra fa amin' ny faritra atsimo-andrefana sy andrefan' ny Nosy. Ny voany sy ny vihiny dia azo hanina. Ity hazo ity dia lasa mpampiantrano ny zavamaniry katsentsitra hafahafa, dia ny voantany (Hydnora esculenta) izay maniry eo amin' ny fakany. Ny voan' ity zavamaniry katsentsitra ity ihany no miseho ambonin' ny tany.