Jôela
Apparence
(tonga teto avy amin'ny Joela)
I Jôela na Jôely dia iray mpaminanin' i Israely izay resahina ao amin' ny Baiboly. Nonina tao amin' ny fokon' i Jodà izy ka mety ho anisan' io foko io. Jiosy velona taorian' ny Fahababoana tany Babilôna izy ka mety anisan' ny mpisorona jiosy sady tao amin' ny mpanaraka ny fampianaran' i Ezekiela. Izy no voalazan' ny lovantsofina jiosy fa nanoratra ny Bokin' i Jôela.
Amin' ny teny hebreo dia atao hoe יוֹאֵל / Yōʾēl, izay midika hoe "Yo dia Andriamanitra", i Jôela na Jôely. Ny hoe Yo dia fanafohezana ny hoe Yahweh.