Jeôgrafian' i Borondy

Avy amin'i Wikipedia
Sarin-tany maneho ny vohon-tany any Borondy

Ny jeôgrafian' i Borondy dia maneho ny vohon' ny tany sy ny biby sy ny zavamaniry, ny mponina sy ny tanàna ary ny toekaren'i Borondy. Iray amin' ireo firenen' i Afrika Atsinanana ao amin' ny faritry ny Farihy Lehibe i Borondy. Izy no firenena kely velarana indrindra aty Afrika. Firenena be tendrombohitra sy anjakan' ny lembalemba avo izy.

Ny tany sy ny rano ary ny zava-manana aina[hanova | hanova ny fango]

Ny sisin-tany[hanova | hanova ny fango]

I Borondy dia firenena mitoka-monina ao Afrika Afovoany, izay hita ao amin’ ny faritry ny Farihy Lehibe. Mizara sisin-tany amin’ i Roanda ao avaratra sy i Tanzania ao atsinanana ary ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô ao andrefana i Borondy. Elanelanin’ ny farihy Tanganyika sy ny renirano Ruzizi ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô sy i Borondy. Mirefy 974 km ny sisin-tanin' i Borondy, ka ny 233 km iraisany amin' ny Repoblika Demôkratikan’ i Kôngô, ny 290 km dia itambarany amin' i Roanda, ary ny 451 km manefitra azy amin' i Tanzania.

Manana velaran-tany mirefy 27 834 km² i Borondy, ka ny 2 180 km² dia rano. Isan’ ny firenena kely indrindra ao Afrika izy amin’ ny velaran-tany.

Ny vohon’ ny tany[hanova | hanova ny fango]

Ny ankabeazan’ ny taniny dia misy lembalemba avo sy havoana. Any antsinanana no mba misy tany lemaka. Mirefy 1 520 m ny salan’ ny haambo misy azy eo anelanelan’ ny ony Nily sy ny ony Congo. Mahatratra 2 684 m ny tendro avo indrindra ao Borondy ao amin' ny tapany atsimon' ny tendrombohitra Heka. Midina izany rehefa miantsinanana sy mianatsimo-andrefana. Ny farihy Tanganyika, izay manana haambo 772 m, no farira iva indrindra ao. Manasaraka an’ i Borondy sy i Tanzania ny renirano Ruzizi, izay sisin-tany manasaraka azy amin' ny Repoblika Demôkratikan’ i Kôngô, sy ny farihy Tanganyika izay samy ao amin’ ny Rift Valley.

Ny rano[hanova | hanova ny fango]

Ireto avy ireo renirano lehibe ao Borondy: i Ruzizi (na Rusizi), izay mivarina any amin' ny farihy Tanganyika, sy i Malagarazi ary i Ruvubu izay isan’ ireo loharanon’ i Nily. I Gasumo, izay loharanon'i Nily atsimo indrindra, dia hita ao atsimon' i Borondy ao amin' ny faritanin' i Bururi. Ny farihy lehibe indrindra dia i Tanganyika izay itambaran' i Borondy amin' i Tanzania sy amin' ny Repoblika Demôkratikan’ i Kôngô ary amin' i Zambia. Misy farihy madinika maro koa ao, dia i Mwungera, i Narungazi, i Rwihinda, i Cohoha, i Kanzigiri, i Rweru ary i Gacamirindi, ka ny fantatra sy lehibe indrindra amin'izy ireo dia i Cohoha sy i Rweru izay ao amin' ny sisin-tany manasaraka an' i Borondy amin' i Roanda. Ahitana farihy madinika iray ny ao amin'ny faritra avaratr' i Borondy, dia ny farihy Dogodogo.

Toetany[hanova | hanova ny fango]

Manana toetanin-jana-pehintany mangatsiatsiaka an-tany avo i Borondy. Ny sala-maripana anatin’ ny taona iray dia miovaova eo anelanelan' 17 °C sy 23 °C, ka 21,1 °C izany eny amin’ ireo lembalemba fa 24,4 °C kosa ao amin’ ny Rift Valley. Amin’ ny main-tany, izay manomboka amin’ ny volana Mey ka miafara amin’ ny volana Aogositra, dia matetika misedra ny vokatry ny hain-tany i Borondy. Mahatratra 1 500 mm ny salan' ny rotsak' orana isan-taona. Ny fotoan' ny orana dia eo anelanelan' ny volana Febroary sy Mey, ary eo anelanelan' ny volana Septambra sy Novambra.

Biby sy zavamaniry[hanova | hanova ny fango]

Hivoka tsy dia misy hazo firy no mandrakotra ny ankabeazan’ ny velaran-tanin’ i Borondy. Ripaky ny tavy sy ny fiandrasana biby fiompy tafahoatra ny ala. Ny kininina, izay hazo nampidirina mba hiadiana amin’ ny fikaon-tany, sy ny akasià ao amin’ ny hivoka atsinanana ary ny palmie fanamboarana menaka eny amin’ ny tany fambolena no fahita matetika any. Isan’ ny biby fahita any ny lalomena, ny voay, ny karazan-dambo (phacochère), ny leôparda ary ny antilôpa.    

Ny mponina sy ny tanàna[hanova | hanova ny fango]

Ny mponina[hanova | hanova ny fango]

Tamin’ ny taona 2008 i Borondy dia nisy mponina miisa 8 691 005 any ho any izay manome hakitroka 339 mp./km². Noho izany dia isan’ ireo firenena misy mponina be hakitroka indrindra aty Afrika izy. Tamin’ ny fiantombohan’ ireo taona 1990 dia nahatratra 3 % ny fitombon’ ny mponina isan-taona, ary ny tahan’ ny fahafatesan’ ny zaza dia nahatratra 61 ‰. Latsaky ny 15 taona ny antsasaky ny mponina. Ny 89 %n’ ny mponina koa dia tantsaha nefa tsy dia ahitana tanàna madinika firy ny any Borondy satria miparitaka amin’ ireo havoana ny toeram-ponenana.

Hoto (Hutu) mpamboly ny 85 %n’ ny mponina ao Borondy fa ny 14 % kosa dia Totsy (Tutsi) mpiompy. Ny Toà(Twa), izay olona zeny (Pigmea) dia 1 %n’ ny mponina fotsiny.

Tanàna[hanova | hanova ny fango]

Roa fotsiny ny tanàn-dehibe lehibe ao Borondy, dia i Bunjumbura renivohitra, izay ahitana mponina miisa 272 600 tamin’ ny taona 1986, sy i Gitega, izay misy mponina 95 300 tamin’ io taona io ihany. Tao Bunjumbura no nitragan’ ny fifanandrinan’ ny Totsy sy ny Hoto tamin’ ny taona 1992. I Gitega kosa dia toeram-ponenan’ ny mpanjaka taloha.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]