Faritry ny Farihy Lehibe (Afrika)

Avy amin'i Wikipedia
Sarin-tany maneho ny Faritry ny Farihy Lehibe ao Afrika

Ny Faritry ny Farihy Lehibe na Afrikan' ny Farihy Lehibe dia faritra ao Afrika mahafaoka firenena efatra manamorona ireo Farihy Lehibe ao Afrika Atsinanana. Ireto ireo firenena ireo: i Borondy sy ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô sy i Oganda ary i Roanda. Ireto kosa ny tena lehibe amin' ireo Farihy Lehibe ireo: ny Farihy Victoria, ny Farihy Tanganyika, ny Farihy Malawi, ny Farihy Turkana, ny Farihy Rukwa, ny Farihy Albert, ny Farihy Moero, ny Farihy Kivu, ny Farihy Édouard, ary ny Farihy Kyoga.

Anarana ara-pôlitika fa tsy jeôgrafika ny hoe Faritry ny Farihy Lehibe na Afrikan' ny Farihy Lehibe, izay sambany nampiasain' ny mpitety tany britanika tamin' ny taonjato faha-19, izay niainga avy tao amin' ny onin' i Nily (na Neily), dia i Richard Francis Burton sy i David Livingstone ary i Henry Morton Stanley.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]