Jôsefa avy any Arimatea

Avy amin'i Wikipedia
Jôsefa avy any Arimatia, sary nataon' i Pietro Perugino

I Jôsefa avy any Arimatea (na avy any Arimatia) dia olona resahina ao amin' ny Testamenta Vaovao, izay nampidirin' ireo mpanoratra ny filazantsara efatra ao amin' ny perikôpa momba ny fametrahana ny fatin' i Jesoa ao am-pasana, olona izay aseho ho Jiosy malaza, anisan' ny Sinedriôna, izay nikarakara ny fampidinana an' i Jesoa avy amin' ny hazo fijaliana sy ny fandevenana azy. Atao hoe Ἰωσήφ ἀπὸ Ἀριμαθαίας / Iôsêph apo Arimathaias izy amin' ny teny grika.

Ny filazana fa ara-tantara i Jôsefa avy any Arimatia dia mbola tsy azo antoka amin' ny ankapobeny, satria io olona io dia angamba nampidirina tao amin' ny fitantaran' ny evanjely kanônika izay manan-tanjona ny hiaro ny finoan' ny Kristiana mba hanamarinana ny fahitana ny fasana foana, ary "mba handavana ny fitenenana ataon' ny mpanohitra azy ireo momba ny fahafatesan' i Jesoa izay endrika ivelany fotsiny ka nahatonga ny hevitra momba ny fitsanganana amin’ ny maty ho tsy mitombina”.

Araka ny angano tamin' ny Andro Antenatenany dia nanangona ny ran' i Kristy tao anaty kalisy i Jôsefa avy any Arimatea, ny Kalisy Masina izany, na ny Graaly Masina ao amin' ny tantaran' ny mpanjaka Arthur, ary nandray anjara tamin' ny fitoriana ny filazantsara tany Britaina Lehibe niaraka tamin' ny apôstôly Filipo izy.

Hita ao amin' ny evanjely apôkrifa koa i Jôsefa avy any Arimatea, izay natao olo-masina kristiana ao amin' ny kalandrie: ankalazaina aty Andrefana izy amin' ny 31 Aogositra sy any Atsinanana amin' ny 31 Jolay. Nahazo vahana ny lazany vokatry ny tantara foronina momba ny Graaly sy ny pôlitikan' ny fampielezan-kevitra natan' ny Abein' i Glastonbury.