Inôkentio I
I Inôkentio I no evekan' i Rôma nanomboka tamin' ny taona 401 ka hatramin' ny nahafatesany tamin' ny 12 Marsa 417. Atao hoe Innocentius I izy amin' ny teny latina. Nanomboka tamin' ny fiandohan' ny naha papa azy dia noheverina ho mpanelanelana ankapoben' ny ady ara-pivavahana tany Atsinanana sy tany Andrefana izy. Nohamafisiny ny zon' ny arsevekan' i Tesalônika ary namoaka didy (latina: litterae decretales) momba fanontaniana mahakasika ny fitsipi-pifehezana napetraky ny evekan' i Rouen taminy izy. Niaro an' i Joanesy Krisôstômôsy tany an-tsesitany izy ary niresaka tamin' ny vondron' ny evekan' i Afrika momba ny fifandirana pelagiana, ka nanamafy ny fanapahan-kevitra maro noraisin' ny sinôda afrikana.
Izy no nitantana ny Fiangonana tao anatin' ny fotoan-tsarotra amin' i Rôma, izay nizaka ny fahirano sy ny fandrobana amam-pandringanana nataon' i Alaric I, mpanjakan' ny Visigôty, tamin' ny 24 Aogositra 410.
Ilay pretra ady manam-pahaizana katôlika Johann Peter Kirsch, 1500 taona tatỳ aoriana, dia nilazalaza an' i Inôkento ho olona tena navitrika sy nanan-talenta "... izay nahatontosa tsara ny adidiny amin' ny andraikiny"[1].
Ankalazaina isaky ny 12 Marsa ny fetiny.
Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ Kirsch, Johann Peter (1910). "Pope Innocent I". In Herbermann, Charles (ed.). Catholic Encyclopedia. Vol. 8. New York: Robert Appleton Company.