Faritany Rômanan' i Afrika

Avy amin'i Wikipedia
Faritanin' i Afrika tamin' ny taona 125.

I Afrika na Faritany rômanan' i Afrika dia faritany rômana taloha izay mifananitsy amin' ny tapany avaratra sy atsimo-atsinanana amin' i Tonizia ankehitriny, miampy ampahany amin' i Alzeria sy amin' i Libia ankehitriny.

Ny faritanin' i Afrika dia noforonina tamin' ny taona 146 tal. J.K., taorian’ ny fandravana an’ i Kartago, tamin’ ny fiafaran’ ny Ady Ponika Fahatelo; i Otika (Utica) no renivohiny, manasaraka azy amin' ny Fanjakan' i Nomidia ny sisin-tany, atao hoe fossa regia. Tamin’ ny taona 46 tal. J.K., i Rôma dia nampiditra an' i Nomidia tao amin' ny taniny sady nampitondra azy ny anarana hoe "Faritany vaovaon' i Afrika" (Africa Nova) mba hanavahana azy amin' ny voalohany (Africa Vetus).

Tokony tamin' ny 40-39 tal. J.K., ireo faritany roa ireo dia natambatra ao amin’ ny faritany antsoina hoe Provincia Africa Proconsularis; i Kartago no renivohiny, niitatra io faritany vaovao io, avy any andrefana ka hatrany atsinanana, hatrany am-bavan' ny Ampsaga (ankehitriny atao hoe Oued-el-Kebir, ao Alzeria) ka hatrany amin' ny fiakarana midezan' ny Alitaran' ny Mpirahalahy Filena (ankehitriny Ras el-Ali, ao Libia). Tamin' ny taona 303 dia nozarain' i Diôkletiano ho faritany telo io faritany io: i Tripôlitania sy i Bizakiôna ary ny i Afrika Prôkônsolary sisa, antsoina koa hoe Zeogitana.