Aller au contenu

Hermesy Trismegistôsy

Avy amin'i Wikipedia
I Hermesy Trismegistôsy

I Hermesy Trismegistôsy na Hermesy Trismegista dia olo-malaza tamin' ny vanim-potoana helenistika izay vokatry ny fiombonan' ny andriamanitra grika Hermesy (Hermes) sy ny andriamanitra ejiptiana Tôty (Thoth). Amin 'ny teny grika ny anarany dia atao hoe Ἑρμῆς ὁ Τρισμέγιστος / Hermês ho Trismegistos, izay midika hoe "Hermesy intelo lehibe indrindra"; amin' ny teny latina kosa dia atao hoe Mercurius ter Maximus. Izy no lazaina fa mpanoratra ny hoe Hermetica, izay andian-dahatsoratra pseodepigrafa maro samihafa tamin' ny Andro Taloha sy tamin' ny Andro Antenatenany izay mametraka ny fototry ny rafitra filôzôfika isan-karazany antsoina hoe hermetisma. Ny malaza indrindra amin' izy ireo dia ny Corpus Hermeticum, izay angon-dahatsoratra mistika-filôsôfika, sy ny Tabula Smaragdina.

Ny fahendrena nomena an' io olo-malaza io tamin' ny Andro Taloha dia nampifandray ny fahalalana momba ny tontolo materialy sy ny tontolo ara-panahy, izay nahatonga ireo asa soratra atao hoe nosoratany ireo hanan-danja lehibe ho an' ireo izay liana amin' ny fifandraisan' ny zavatra materialy sy ny araka an' Andriamanitra. Ny hermetista sy ny alsimista dia milaza fa manaraka ny fampianarany.

I Hermesy Trismegistôsy koa dia hita ao amin' ny asa soratra mozilmana sy bahay. Ao amin' ireo lovantsofina ireo, i Hermesy Trismegistôsy dia nifandray amin' ny mpaminany Idris (ilay Enôka ao amin' ny Baiboly).