Fivavahana ao Borondy

Avy amin'i Wikipedia

Ny fivavahana ao Borondy dia anjakan' ny kristianisma. Eo anelanelan'ny 67 % sy 85 %n’ ny mponina ao Borondy dia Kristiana (Katôlika ny ankamaroany), fa eo anelanelan' ny 7,9 % sy 23 % kosa manaraka ny fivavahan-drazana animista. Ahitana mpino silamo vitsy an’ isa koa ao, izay eo anelanelan'ny 2 % sy 2,5 %n’ ny mponina.

Tamin' ny taona 2008, araka ny CIA Factbook dia 85%n' ny mponina ao Borondy no Kristiana (ka ny 62,1 % Katôlika, ny 23,9 % Prôtestanta), ny 7,9 % dia manaraka ny fivavahan-drazana ary 2,5 % no Miozolmana (Sonita ny ankamaroany). Araka ny Encyclopedia of Africa itamin' ny taona 2010 anefa dia 67 %n' ny Borondey no Kristiana, ny 23 % manaraka ny fivavahan-drazana ary ny 10 % Miozolmana miampy ireo manaraka fivavahana hafa.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]