Fiteny slôvena

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fiteny slovena)

Ny fiteny slôvena dia fiteny ao amin' ny vondrom-piteny slava sady zana-bondron' ny fiteny slava atsimo, ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana. Olona miisa 2 000 000 any ho any no miteny azy, ka ny ankamaroany dia monina ao Slôvenia nefa misy koa ny any Aotrisy sy any Italia. Fiteny ôfisialin' i Slovenia ny fiteny slôvena sady isan' ny fiteny ôfisialin'ny Vondrona eorôpeana.

Nitahiry ny toetran' ny fiteny slava tranainy ny fiteny slôvena sady niharan' ny fomban' ny fiteny latina sy ny fiteny alemàna sy ny fiteny italiana ary ny fiteny friôlàna. Ny 1/3n' ny voambolan' ny fiteny slôvena dia iraisany amin' ny fiteny serbô-krôata.