Fiteny sôgdiana

Ny fiteny sôgdiana dia fiteny iraniana izay nampiasain' ny Sôgdiana tamin' ny Andro Antenatenany, izay olona mpivarotra nipetraka tao Sôgdia, faritra ara-tantara manodidina an' i Samarkand sy Bukhara ary mandrakotra an' i Ozbekistana sy an' i Tajikistana ary ny tapany avaratr' i Afganistana ankehitriny. Amin' ny teny sôgdiana soratana amin' ny abidy latina dia atao hoe swγδyʼw ity fiteny ity. Anisan' ny sampana atsinanana amin' ny fiteny iraniana izy io ary nampiasaina ho lingua franca tany Azia Afovoany nanomboka tamin' ny taonjato faha-6 ka hatramin' ny faha-9. Nampitain' ny Oigoro sy nampifanarahin' izy ireo amin' ny filany ny abidy sôgdiana, izay avy amin' ny abidy arameana-siriaka, ary izy ireo indray dia nampita izany tamin' ny Môngôly sy tamin' ny Mantso. Voavakin' i Robert Gauthiot tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20 ny fiteny sôgdiana.