Kristianisma karismatika

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fihetsiketsehana karismatika)

Ny kristianisma karismatika na hetsika karismatika dia endriky ny kristianisma sy vondron' ny fifohazam-panahy nanandratra avo ny asan' ny Fanahy Masina sy ny fanomezam-pahasoavan' ny Fanahy Masina ary ny fahagagana araka izay hita indrindra ao amin' ireo Epistily nosoratan' i Paoly. Io fifohazam-panahy io dia niseho tamin' ny alalan' ny hetsika telo, dia ny pentekôtisma tamin' ny taona 1906 sy ny hetsika karismatika evanjelika tamin' ny taona 1960 ary ny hetsika karismatika vaovao tamin' ny taona 1980. Araka ny tarehimarika nomen' ny World Christian Encyclopedia dia miisa 78 tapitrisa ny Pentekôtista, ny Karismatika evanjelika miisa 192 tapitrisa ary ny Karismatika vaovao miisa 318 tapitrisa ka izany rehetra izany dia mitotaly 588 tapitrisa. Araka ny Pew Research Center tamin' ny taona 2011 dia miisa 584 tapitrisa ny Pentekôtista sy ny Karismatika ka ny 279 tapitrisa no Pentekôtista fa ny 305 tapitrisa kosa dia Karismatika.

Fiforonan-teny[hanova | hanova ny fango]

Ny teny hoe karismatika dia avy amin' ny teny grika hoe χάρισμα / kharisma izay midika hoe "fanomezana", izay avy amin' ny teny grika hafa hoe χάρις / kharis izay midika hoe "fahasoavana".

Ny Pentekôtisma[hanova | hanova ny fango]

Ny pentekôtisma dia finoana kristiana vokatry ny Fifohazam-panahy notarihin' ny pastora amerikana Charles Fox Parham sy William Joseph Seymour tao Etazonia tamin' ny taona 1906. Io fihetsiketsehana io dia manana izao toetra izao: manome lanja manokana ny Baiboly, ny fahateraham-baovao, ny batisan' ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavan' ny Fanahy Masina, ny batisan' ny olon-dehibe (batisan' ny mino), ny fananana saina tia mamita iraka, ny fanokanan-tena ara-pitondran-tena amin' ny fiainana, ny fahaleovan-tenan' ny fiangonana isan-toerana, ary ny fisarahan' ny Fiangonana sy ny Fanjakana. Niisa any amin'ny 279 tapitrisa any ho any ny mpino Pentekôtista tamin' ny taona 2011 araka ny tarehimarika nomen'ny Pew Research Center.

Ny hetsika karismatika evanjelika[hanova | hanova ny fango]

Ny hetsika karismatika evanjelika na hetsika karismatika ara-pilazantsara dia firehan' ny kristianisma evanjelika (na evanjelisma) izay manandratra avo ny fanomezan' ny Fanahy Masina. Nanomboka tao Etazonia tamin' ny taona 1960 izy io ka nisy akony tao amin' ny fiangonana rehetra na prôtestanta na katôlika na evanjelika ary nandray anjara tamin' ny fiforonan' ny fiangonana evanjelika tsy miankina maro. Miavaka amin' ny pentekôtisma io hetsika io noho izy tsy manao ny fiteny tsy fantatra ho hany porofon' ny batisan' ny Fanahy Masina izay nambaran' i Jesoa mialoha sady manome toerana lehibe ny fahasamihafan' ny fanomezam-pahasoavan' ny Fanahy Masina. Araka ny tarehimarika nomen' ny Pew Research Center dia ahitana mpino miisa 305 tapitrisa io hetsika io tamin' ny taona 2011.

Ny hetsika karismatika vaovao[hanova | hanova ny fango]

Tany Etazonia no niforonan' ny hetsika karismatika vaovao tamin' ny fiantombohan' ireo taona 1980. Ivon' ny finoany ny batisan' ny Fanahy Masina araka ny fanambaràn' i Jesoa Kristy sy ny fanomezam-pahasoavana sivy avy amin' ny Fanahy Masina. Mampiasa ny fitaovan-tserasera vaovao ireo Fiangonana karismatika vaovao ireo. Noraisiny ny teôlôjian' ny Hetsika karismatika evanjelika nefa nohamafisiny sy notovanany amin' ny atao hoe "ady ara-panahy" sy "tenim-pinoana" ary "fanavaozana ara-drafitra".

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]