Fiangonan' i Jerosalema
Ny Fiangonan' i Jerosalema na Eglizin' i Jerosalema dia ny fianakaviambe kristiana izay lazaina, araka ny lovantsofina kristiana, fa naorin' i Jakôba ilay Marina izay nitarika ity vahoaka ity taorian' ny fahafatesan' i Jesoa avy any Nazareta.
Fiangonana voalohany
[hanova | hanova ny fango]Ny mpikambana tao amin' ity Fiangonan' i Jerosalema ity dia Jiosy mbola nanaja ny lalàn' i Mosesy, izay atsoina hoe Nazôreana indraindray, nefa tsy fantatra marina ny momba azy noho izy ireo nihataka ny tontolo namokatra ny Testamenta Vaovao[1]. Taorian' ny fanomboana tamin' ny hazo fijaliana dia niseho tamin' ny mpianany sy tamin' ny "rahalahy tsy omby dimanjato miaraka" i Jesoa (1Kôr. 15.5-7)[2][3]. Ireo vondron' olona atao hoe Nazôreana ireo (izay Jodeô-Kristiana tia vavaka, mazoto mamonjy ny Tempoly), dia nivondrona teo ambany fahefan' i Jakôba ilay Marina fa i Paoly avy any Tarsisy kosa namorona ny fianakaviambe kristiana helenista izay notarihin' i Stefana (na Etiena) (Asa 6.5)[4] [5].
Ny fiainana andavanandron' izany fiangonana jiosy izany dia maneho olona tso-piainana izay niara-niaina sy niombom-pananana ka niara nizara mofo tamin' ny famamakiana izany sady niara-nivavaka, izay nanao asa fanasitranana nampalaza azy ireo, araka an' i Flavio Jôsefa[6]. Ny fisokafan' izany fiangonana izany amin' ny Jentilisa (na Jentily) dia nanomboka tamin' ny niovan' ilay kapiteny rômana atao hoe Kôrnelio sy ny Kônsily tao Jerosalema teo an-tenantenan' ny taonjato voalohany. Tsy nisy anefa fomba ahalalàna fa nisy Jentilisa niova ho Kristiana tamin' izany fotoana izany tao Jerosalema ary ny anarana hoe Kristiana koa dia mbola tsy nampiasaina[7].
Ny fandosiran' ny Fiangonan' i Jesosalema nankany Pela
[hanova | hanova ny fango]Araka ny lovantsofina taterin' i Eosebio avy any Kaisarea[8] sy i Epifaniôsy avy any Salamisy[9], taoriana kelin' ny Fikomiana jiosy lehibe (taona 66-73 taor. J.K.) dia nahazo fampiomanana tamin' ny alalan' ny faminaniana momba ny fandravana ny Tanàna Masina ny mpino tao amin' ny Fiangonan 'i Jerosalema. Noho izany dia nandositra an' i Jerosalema ka nanorim-ponenana tao amin' ny tanànan' i Pela (i Tabaqat Fahil any Transjordania ankehitriny) izy ireo. Ny fahamarinan' izany lovantsofina izany dia toherin' i S. G. F. Brandon noho ny fisian' ny zavatra sarotra porofoina (ohatra ny datin' ny fandosirana, ny fanorenam-ponenana tany amin' ny tontolo jentiisa tsy tia azy ireo)[10]. Araka an' i J. Bourgel, ny mpino tao amin' ny Fiangonan' i Jerosalema, sahala amin' ireo Jiosy maro hafa, dia nankany Rôma ka namponenina an-keriny tao Pela[11].
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ Étienne Nodet, "Qui sont les premiers chrétiens de Jérusalem ?", in Aux origines du Christianisme, éd. Gallimard/Le monde de la Bible, 2000, p. 238-245
- ↑ "ary niseho tamin' i Kefasy Izy, dia vao tamin' ny roa ambin' ny folo lahy koa. Rehefa afaka izany, dia niseho tamin' ny rahalahy tsy omby dimam-jato Izy, ny ankamaroan' ireny dia mbola velona mandraka ankehitriny, fa ny sasany efa nodi-mandry." (1Kor. 15.5-7).
- ↑ "ary niseho tamin' i Sefasy, vao tamin' ny roa ambin' ny folo. Manaraka izany dia niseho tamin' ny rahalahy tsy omby diman-jato izy, ary mbola velona mandraka ankehitriny ny ankamaroan' ireny, fa ny sasany ihany no efa nody mandry." (1Kor. 15.5-7).
- ↑ "Dia sitraky ny olona rehetra ny teniny, ka nifidy an' i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, aryFilipo sy Prokoro sy Nikanora syTimona sy Parmena ary Nikoleo(proselyta avy any Antiokia)," (Asa 6.5).
- ↑ "Nankasitrahan' ny olona rehetra izany teny izany, ka dia nofidiny Etienalehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, Filipo, Prokora, Nikanora,Timona, Parmenasy, ary Nikolà, proselita avy any Antiokia." (Asa 6.5).
- ↑ Étienne Nodet, "Qui sont les premiers chrétiens de Jérusalem ?", in Aux origines du Christianisme, éd. Gallimard/Le monde de la Bible, 2000, p. 239.
- ↑ Étienne Nodet, "Qui sont les premiers chrétiens de Jérusalem ?", in Aux origines du Christianisme, éd. Gallimard/Le monde de la Bible, 2000, , p. 243
- ↑ Eusèbe de Césarée, Histoire Ecclésiastique 3, 5, 3
- ↑ Epiphane de Salamine, Panarion 29,7,7-8; 30, 2, 7; Poids et Mesures 15
- ↑ Samuel G. F. Brandon, The Fall of Jerusalem and the Christian Church, London, SPCK, 1957, 167-184 p.
- ↑ Jonathan Bourgel, D'une identité à l'autre ? : la communauté judéo-chrétienne de Jérusalem : 66 - 135, Paris, Le Cerf, 2015