Fiangonan' ny Atsinanana

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fiangonan'ny Atsinanana)
Fiangonan' ny Atsinanana tamin' ny Andro Antenatenany

Ny Fiangonan' ny Atsinanana izay atao hoe koa Fiangonan' i Asiria na Fiangonan' i Persia na Fiangonan' i Mesôpôtamia[1] dia iray amin' ireo Fiangonana kristiana voalohany. Araka ny lovantsofina dia ny Apôstôly Tômasy (na Tômà) no nanorina azy.

Amin' ny teny siriaka dia atao hoe ܥܕܬܐ ܕܡܕܢܚܐ / Ēdtāʾ d-Maḏenḥā ireo fiangonana ireo.

Tamin' ny taona 424 no nanambaràny ny fahaleovan-tenany. Nivakivaky matetika io fiangonana io nandritra ny tantarany ka ankehitriny dia maro ny Fiangonana mpandova azy mivantana:

Ireo Fiangonana atsinanana samihafa an' ny Kristianan' i Masindahy Tômasy ao Atsimon' i India, izay nateraky ny asa lehibe nataon' ny misiôneran' ny Fiangonan' ny Atsinanana any India, dia mpandova azy koa.

Ny Fiangonana Asiriana na Nestôriana Ôrtôdôksa manana ny foibeny ao amin' ny faritr' i Hakkari (ao Torkia atsinanana) sady maro amin' ireo mpanaraka azy no novonoina nandritra ny fandripahana lehibe tamin' ny Ady Lehibe Voalohany (fandripahana fantatra amin' ny anarana hoe Sayfo na Seyfo); ny faharoa, dia ny Fiangonana Kaldeana, mifandray amin' ny Fiangonana Katôlika hatramin' ny taonjato faha-16, dia ahitana mpino maro ao avaratr' i Iràka ka izy ireo no fiarahamonina kristiana madinika misy mpikambana maro indrindra ao amin' ilay faritra na dia efa nisy zanaka am-pielezana tao efa ho taonjato iray.

Sisam-paharavan' ny Mônasiteran' i Mar Eliya ao Mosul, Iràka tamin' ny taona 2005. Noravan' ny Fanjakana Islamika izy io tamin' ny taona 2014.

Sahala amin' ireo zanaka am-pielezana armeniana, ny fikambanana asirô-kaldeana ôrtôdôksa miray amin' ny Fiangonana katôlika, sy ny Fiangonana siriana ôrtôdôksa (mônôfizita) any atsinanana kokoa, dia misy mpino maro izay miely eran-tany. Ny fikambanana kristiana asirô-siriaka miteny armeniana dia niharan' ny fandripahana talohan' ny Ady Lehibe Voalohany sy nandritra izany sahala amin' ny mpino armeniana. Miparitaka avy ao Atsinanana-Akaiky mankany Amerika Avaratra sy any Skandinavia sy Aostralia ary amin' ny sisa amin' i Eorôpa Avaratra izy ireo.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. Joseph Yacoub, Babylone chrétienne : géopolitique de l'Église de Mésopotamie, Paris, Desclée de Brouwer, 1996