Fiteny ieniseiana

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fianakaviam-piteny ieniseiana)
Faritra nitenena sy mbola itenenana ieniseiana

Ny fiteny ieniseiana, antsoina koa hoe fiteny ieniseika na fiteny ienisey-ôstiaka, dia fianakaviam-piteny any afovoan' i Siberia any Rosia, any amin' ny faritra misy ny ony Yenisei. Anisan' ny vondrona ara-jeôgrafian' ny fiteny paleô-siberiana izy ireo, izay tsy tokony hifandray ara-pirazanana ny fiteny mikambana ao aminy.

Efa ela ny mpahay teny maro no sahirana tamin' ny fampifandraisana ny vondrom-fiteny ieniseiana amin' ny vondrona lehibe kokoa. Vao tsy ela akory izay no nisy fifandraisana ara-pitenenana naseho tamin' ireo fiteny na-dene, fianakaviam-piteny amerindiana any Alaska, andrefan' i Kanada ary atsimo andrefan' i Etazonia. Ny fiteny ieniseiana sy ny fiteny na-dene dia mety ho sampana roa ao amin' ny fianakaviana tranainy iray ao amin' ny andaniny sy ankilan' ny Andilan-dranomasin' i Bering, dia ny fianakaviam-piteny dene-ieniseiana.

Ireto ny fiteny hita ao amin' io fianakaviana io:

  • fiteny keta
  • fiteny ioga (maty)
  • fiteny kôta (maty)
  • fiteny arîna (maty)
  • fiteny asàna (maty)
  • fiteny pompôkôla (maty)

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]