Fiteny keta

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny keta (antsoina hoe fiteny ôstiakan' i Yenisei teo aloha) dia fiteny any Siberia, ny hany fiteny mbola velona ao amin' ny fianakaviam-piteny ieniseiana hatramin' ny nahafaty ny fiteny ioga vao haingana. Ny anarana hoe keta (ket) dia avy amin' ny teny hoe kɛʔt, izay midika hoe “olombelona” (deng raha milaza maro).

Tamin' ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 1989 dia ny 48 % amin' ny vahoaka Keta monina eo amoron' ny ony Yenisei no niteny an' io fiteny io. Tamin' ny taona 2008 dia olona zato monja no niteny azy tsara, ka ny antsasany dia feno dimampolo taona mahery.