Andilan-dranomasin' i Bering

Avy amin'i Wikipedia
Andilan-dranomasin' i Bering

Ny Andilan-dranomasin' i Bering na Andilan-dranomasin' i Behring dia andilan-dranomasina manasaraka an' i Siberia atsinanana amin' i Alaska (83 km, fa 89 km kosa eo anelanelan' ny tanjona Dejnev ao Rosia, sy ny tanjon' ny Prince of Wales (frantsay: Prince-de-Galles) ao Alaska) sady mampitohy ny Ranomasin' i Bering, izay isampanany, amin' ny Ranomasin' ny Tsoktsa.

Avy amin' ny anaran' ilay tantsambo danoà atao hoe Vitus Béring (1681-1741) izay mpahita tany niasa tao amin' ny tafika an-dranomasina rosiana izay namakivaky an' io andilan-dranomasina io nandritra ny fahavaratry ny taona 1728. Ny nosy roan' i Diomeda dia saika hita eo amin' ny ivony, eo anelanelan' ny sisintanin' i Rosia sy Etazonia.