Empira Alemàna

Avy amin'i Wikipedia
Ny Empira Alamàna

Ny Empira Alemàna no anaran' ny vondron' ny firenena alemàna nanomboka tamin' ny 18 Janoary 1871 hatramin' ny 9 Nôvambra 1918. Atao hoe Deutsches Reich na Deutsches Kaiserreich na Deutschland izy io amin' ny teny alemàna. Avy amin' ny fampiraisana an' i Alemaina izany rehefa i Wilhelm I any Prussia no lasa Kaiser alemàna rehefa nesorin' ny emperora fahatelo Wilhelm II tamin' ny fitondrana izy tamin' ny faran' ny Ady Lehibe Voalohany. Tamin' ny taona 1920, ny nasiôalista alemàna dia nanomboka niantso azy io hoe "Reich Faharoa". Ny anaran' i Alemaina dia "Deutsches Reich" hatramin' izay ka hatramin' ny taona 1945. Ny teny hoe Reich dia mety hidika zavatra maro, "empira", "fanjaka-mpanjaka", "fanjakana" na "harena".

Ny ankamaroan' ny mpikambana tao amin' ilay Empire dia mpikambana tao amin' ny Norddeutscher Bund ("Kônfederasiôna Alemàna Avaratra") teo aloha. Tamin' ny fotoana samihafa dia nisy vondrona telo noforonin' ny firenena maromaro kely kokoa, ka ny vondrona tsirairay avy dia nantsoin' ny Alemàna sasantsasany hoe "Reich". Ny voalohany dia ny Fanjakana Rômana Masina. Ny faharoa dia ny Empira Alemàna. Ny fahatelo dia ny Reich Fahatelo.

Ny teny hoe "Reich Faharoa" dia nampiasain' i Arthur Moeller van den Bruck, mpanoratra nasiônalista tamin' ny taompolo 1920 hanondroana ny Empira Alemàna. Niezaka nampifandray ny Empira Rômana Masina teo aloha izay natanjaka be taloha izy. Resy tamin' ny Ady Lehibe Voalohany i Alemaina ary nianjadian' ny olana lehibe. I Arthur Moeller van den Bruck dia naniry ny hanangana "Reich Fahatelo" mba hampiray an' ilay firenena. Io andian-teny io no nampiasain' ny Nazi tatỳ aoriana mba hahatonga azy ireo hiseho ho matanjaka.

indreto ny fanjakana tao anatin' io empira io:

Fanjakana Renivohitra
Fanjaka-mpanjaka (Königreiche)
Prosia (Preußen) Berlin
Bavaria (Bayern) Munich
Saxonia (Sachsen) Dresden
Württemberg Stuttgart
Diokea Lehibe (Großherzogtümer)
Baden Karlsruhe
Hesse (Hessen) Darmstadt
Mecklenburg-Schwerin Schwerin
Mecklenburg-Strelitz Neustrelitz
Oldenburg Oldenburg
Saxe-Weimar-Eisenach (Sachsen-Weimar-Eisenach) Weimar
Dokea (Herzogtümer)
Anhalt Dessau
Brunswick (Braunschweig) Braunschweig
Saxe-Altenburg (Sachsen-Altenburg) Altenburg
Saxe-Coburg sy Gotha (Sachsen-Coburg und Gotha) Coburg
Saxe-Meiningen (Sachsen-Meiningen) Meiningen
Prinsipaotea (Fürstentümer)
Lippe Detmold
Reuss, junior line Gera
Reuss, senior line Greiz
Schaumburg-Lippe Bückeburg
Schwarzburg-Rudolstadt Rudolstadt
Schwarzburg-Sondershausen Sondershausen
Waldeck-Pyrmont Arolsen
Tanàna Hanseatika afaka (Freie Hansestädte)
Bremen
Hamburg
Lübeck
Fari-tany imperialy (Reichsland)
Alsace-Lorraine (Elsaß-Lothringen) Straßburg

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]