Jermania

Avy amin'i Wikipedia
Toerana nisy an' i Jermania

I Jermania dia faritra manan-tantara any Eorôpa nofehezin' ny fokom-pirenena jermanika tsy nandray ny kolontsaina rômana sy nandray izany (amin' ny heviny ara-jeôgrafia na ara-piteny) sy ny fokom-pirenena selta tamin' ny Andro Taloha, tamin' ny andron' ny Empira Rômana. Manambatra an' i Jermania Ambany sy i Jermania Ambony ary i Jermania Lehibe ity faritra ity. Ho an' ny mpahay tantara sasany, io faritra io dia nandrakotra voalohany indrindra ny tapany atsimon' i Skandinavia, avy eo niitatra nankany Eorôpa Afovoany. Ny mpanoratra hafa dia manao azy ireo hanana fiaviana danobiana (i Panonia hoy i Grégoire de Tours, ohatra). Nandrakotra faritra midadasika niantsinanana hatrany Vistula i Jermania, niankandrefana ary nianatsimo nankany Rhine sy Danube izay nanasaraka azy tamin’ ny Tontolo Rômana.