Donetsk

Avy amin'i Wikipedia
"Katedralin' ny Fiovan-tarehy Masina" - ny trano fiangonana lehibe indrindra ao Donetsk

I Donetsk dia tanàna ao atsimo-atsinanana amin' i  Okraina, renivohitry ny faritr' i Donetsk, eo an-tsisin' ny sahan-drano misy an' i Donbass, ao 594 km atsimo-atsinanan' i Kyiv (na Kiev).

Atao hoe Донецьк / Dodetsk izy amin' ny teny okrainiana, fa Донецк / Donetsk kosa amin' ny teny rosiana. Taloha izy dia nantsoina taloha hoe Alexandrovka sy Yuzovka ary Stalino.

Tamin' ny taona 2017 i Donetsk dia nisy mponina miisa 918 536, fa 1 623 194 kosa izany raha atambatra amin' ny isan' ny mponina amin' ny tangoron-tanàna manodidina.

Ao amin' ny renirano  Kalmius no iorenany, tanàna lehibe indrindra ao amin' ilay sahan' aritany izy sady foibe indostrialy lehibe indrindra ao. Ny asa lehibe ao amin' io tanàna io dia mifandraika amin' ny asa fanefena sy fitrandrahana metaly sy ny famokarana vy sy vy anidina ary tsỳ. Misy ihany koa ny indostrian' ny vokatra simika sy ny famokarana sakafo ary angovon' aratra.

I Donetsk dia manana trano fanaovana ôpera sy toeram-pampianarana ambony ary toeram-pikarohana. Manana ôrkesitra simfonika koa izy.

Niorina tamin' ny taona 1870 io tanàana io rehefa nahazo alalana avy amin' ny governemanta rosiana hanamboatra lalan-damasinina amin' ny vy i John Hughes, izay mpandraharahan-taozava-baventy ekôsey. Nandroso haingana ilay tanàna tamin' ny taompolo 1920. Nandritra ny Ady Lehibe II, dia nobodoin' ny tafika alemàna io tanàna io ary niteraka fahasimbana lehibe tao izany. Nantsoina hoe Stalino io tanàna io tamin' ny taona 1924 ka hatramin' ny taona 1961, avy eo nandray ny anarany ankehitriny.

Tamin' ny taona 2014 izy no lasa renivohitry ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Donetsk, izay nisara-bazana tamin' i Okraina ka nanambara fahaleovan-tena tamin' ny 7 Avrily 2014. {{reflist]]