Diadôka

Avy amin'i Wikipedia

Ny diadôka dia jeneraly sy fianakaviana ary sakaizan' i Aleksandra Lehibe izay niady mba samy hifehy ny empirany taorian' ny nahafatesany tamin' ny taona 323 tal J.K. Ny teny hoe diadôka no anarana nomena ny olona nandimby mpanjaka, tany Grisia taloha.

Ny Adin' ny Diadôka dia nanamarika ny fiandohan' ny Vanim-potoana Helenistika izay nanomboka tao amin' ny Ranomasina Mediteranea ka hatrany amin' ny Lohasahan' i Indosy. Avy amin' ny teny grika hoe Διάδοχοι / Diádokhoi, izay midika hoe "mpandimby" io teny io.

Ny diadôka malaza indrindra dia ahitana an' i Ptôlemaiôsy I (nanorina ny tarana-mpanjaka Lagida), i Antigônôsy I Mônôftalmôsy (nanorina ny tarana-mpanjaka Antigônida), i Kasandrôsy, ary i Seleokôsy I (nanorina ny tarana-mpanjaka Seleokida) izay sisa tavela tamin' ny faran' ny Adin' ny Mpandimby (na Adin' ny Diadôka), izay nanjaka tany Ejipta, tany Azia Minora, i Makedônia ary i Persia, izay samy nanana tarana-mpanjaka naharitra taonjato maromaro.