Fanjakan' i Makedônia

Avy amin'i Wikipedia
Fanjakan' i Makedônia tamin' ny taona 336 tal. J.K.

Ny Fanjakan' Makedônia na na Fanjakan' i Masedoana na Makedônia na Masedoana dia fanjakana grika fahiny, izay mifanandrify amin' i Makedônia grika ankehitriny, talohan' ny niitariany. Miitatra amin' ny faritra avaratra-atsinanana amin' ny Saikinosy Grika izy io, manamorona an' i Epirôsy any andrefana, Peônia any avaratra, Traka any atsinanana ary Tesalia any atsimo. Naorina ho fanjakana tamin' ny vanim-potoana arkaika, dia lasa fanjakana nanjakazaka tamin' ny vanim-potoana helenistika. Atao hoe Μακεδονία / Makedonía izy amin' ny teny grika.

Voaporofo fisiana ilay fanjakana tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-7 tal. J.K. ka tamin' ny fiandohany no nisian' ny tarana-mpanjak' ny Argerada. Nitombo be ilay fanjakana teo antenatenan’ ny taonjato faha-4 tal. J.K. teo ambaniny fitondran' i Filipo II izay nanitatra ny fahefany tamin' i Gresy an-tanibe tamin' ny fanonganana ny fahefan' ny tanànan' i Atena sy ny Ligy Kalkidiana, ary nanangana ny Ligin' i Kôrinto.

Nandresy ny Empira Persana lehibe i Aleksandra Lehibe zanany lahy, ary nanitatra ny helenisma hatrany amin' ny faran' ny tanin' i Azia. Taorian' ny nahafatesan' i Aleksandra tamin' ny taona 323 tal. J.K. dia tonga teo ambany fifehezan' ny Antipatrida vetivety i Makedônia tao anatin' ny tontolon’ny adin' ny Diadôka. Tamin' ny taona 277 tal. J.K. ny fitondran' ny mpanjaka dia nosahanin' i Antigônôsy II Gônatasy izay nanangana ny tarana-mpanjakan' ny Antigônida. Nanjaka izy io hatramin' ny taona 168 tal. J.K., rehefa resin' ny Rômana i Makedônia.

ggggggggggggggg

Vahoaka grika ny Makedôniana fahiny: ny fiteny makedôniana taloha, izay fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny helenika, ary manompo andriamanitra ny grika maro. Ny tanin' izy ireo anefa dia nalamina manodidina ny aristôkrasian' ny mpanan-tany notarihina mpanjaka iray, fa tsy manodidina tanàna mahaleo tena, izany dia afaka manazava ny antony nahatonga ny mpanoratra grika tamin' ny vanim-potoana klasika hihevitra azy ireo ho barbariana.