Berenike IV

Avy amin'i Wikipedia

I Berenike IV dia mpanjakavavin' i Egipta tao amin' ny fianakaviana lagida izay nanjaka tamin' ny taona 58 hatramin' ny 55 tal. J.K. Zanak' i Ptôlemaiôsy XII Aoletesy izy. Atao hoe Βερενίκη / Berenikê i Berenike amin' ny teny grika. Teraka tamin' ny taona 77 tal. J.K. izy ary maty tamin' ny taona 55 tal. J.K. Nanambady an' i Seleokôsy VII izy. Maty nampamonoiny i Seleokôsy VII tamin' ny taona 56 tal. J.K. Nikomy tamin-drainy ny Aleksandrina noho izy tsy nahatohitra ny Rômana. Voaongana i Ptôlemaiôsy XII ka i Berenike no nandray ny fanapahana. Fotoana kely taty aoroan' ny nahafatesan' i Seleokôsy dia nanambady an' i Arkelaôsy (grika: Ἀρχέλαος) avy any Kômana sady mpisorombe ao amin' ny tempolin' i Belôna[1] (sady nanao ny tenany ho zanak' i Mitridata VI) i Berenike. Nandritra ny telo taona i Ptôlemaiôsy XII dia niezaka hahazo ny fanohanan' ny Rômana mba hiverenany eo amin' ny fitondrana ka tanteraka izany tamin' ny alalan' ny kolikoly nifanaovany tamin' i Aolo Gabinio (latina: Aulus Gabinius) governeran' i Siria izay nanafika an' i Egipta miaraka amin' ny tafiny tamin' ny taona 55 tal. J.K. Novonoin' i Ptôlemaiôsy XII i Berenike IV raha vantany vao tafapetrak' ilay governora romana teo amin' ny fitondrana izy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. I Belona (latina: Bellona) dia andriamanibavin'ny ady ara-tafika, araka ny fedrà romana.