Ptôlemaiôsy VI

Avy amin'i Wikipedia
Peratr' i Ptôlemaiôsy VI maneho azy amin'ny maha mpanjaka henenistika azy

I Ptôlemaiôsy VI na Ptôlemaiôsy VI Filômetôra dia faraon' i Egipta avy amin' ny dinastia lagida izay nanjaka tamin' ny taona 180 tal. J.K. hatramin' ny taona 170 tal. J.K. sady lasa niara-nanjaka tamin' i Ptôlemaiôsy VIII Evergetesy II Trifôna rahalahiny tamin' ny taona 169 tal. J.K. hatramin' ny taona 145 tal. J.K. Zanak' i Ptôlemaiôsy V Epifanesy tamin' i Kleôpatra I Sira izy. Nandimby an' i Ptôlemaiôsy V Epifanesy rainy izy ary nodimbiasin' i Ptôlemaiôsy VII. Teraka tamin' ny taona 186 izy ary maty tamin' ny taona 145 tal. J.K. Amin' ny teny grika dia atao hoe Πτολεμαῖος Φιλομήτωρ, Ptolemaĩos Philometôr ka ny hoe Philometôr dia midika hoe "tia reny".

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]