Apôkrifan' i Jakôba

Avy amin'i Wikipedia

Ny Apôkrifan' i Jakôba, izay antsoina koa hoe Bokin' ny Tsiambaratelon' i Jakôba na ny Epistily Apôkrifan' i Jakôba, dia epistily gnôstika. Io no famelabelarana (masekhet) faharoa ao amin' ny Codex I ao amin' ny Vondrom-bokin' i Nag Hammadi.

Ity famelabelarana ity dia fandikana kôpta avy amin' ny teny grika tany am-boalohany, angamba nosoratana tany Ejipta, izay tombantombana ho nosoratana nanomboka manodidina ny taona 100 taor. J.K. ka hatramin' ny manodidina ny taona 200 taor. J.K. Ny vontoatin' ilay lahatsoratra dia ahitana ny fahatsiarovan' i Jakôba ilay Marina ny fanambaràna manokana izay nomen' i Jesoa na Jesosy an' i Jakôba sy i Petera.

Anisan' ny lohahevitra resahina ny fahatanterahana, ny finoana ny hazo fijaliana, ny fangetahetana ny Teny, ary ny maha zava-dehibe ny fahalalana ny tena.