Antiôkôsy III Megasy

Avy amin'i Wikipedia
Antiokosy III

I Antiokosy III Megasy dia mpanjaka seleokida nanapaka an'i Siria tamin'ny taona 223 hatramin'ny 187 tal. J.K. izay nandimby ny rahalahiny Seleokosy III.

Ny mpanjaka Seleokosy II no rain'i Antiokosy III. Teraka tamin'ny taona 242 tal. J.K. izy ary maty tamin'ny taona 187 tal. J.K.. I Laodike II no reniny ary i Laodike III no vadiny. Niteraka an'i Seleokosy IV, i Antiokosy IV, i Laodike IV (izay vady nifandimbiasan'ny anadahiny telo), i Kleopatra I (izay lasa mpanjakavavin'i Egipta taty aoriana) ary i Antiokisy III izy.

Lasa firenena nanompo azy i Partia[1] sy i Baktriana[2] ary niady amin'ny farao Ptolemeosy V izy. Azony i Palestina iray manontolo sy i Libàna tamin'ny taona 198 tal. J.K. Taty aoriana dia niady tamin'ny Romana izay nandresy azy tamin'ny taona 191 tal. J.K. tao Termopily sy tamin'ny taona 190 tal. J.K. tao Magnesia (na Manezia)[3] izy. Lasan'ny Romana ny tany nofeheziny tao andrefan'i Taorosy sady nandoa hetra tamin'ny Romana izy. Namerina ny faritry ny fanjakana seleokida i Antiokosy III tamin'ny fiantombohan'ny fanapahany nefa nihena ny heriny tany atsinanan'ny Ranomasina Mediteranea.

Saika handroba ny herena ao amin'ny tempoly tao Elimaida (na Elimaisy)[4] i Antiokosy III, mba handoavany onitra hono, nefa nikomy ny mponina tao amin'io tanàna io ka namono azy tahaka ny famono jiolahy tamin'ny taona 187 tal. J.K.. I Seleokosy IV no nandimby azy teo amin'ny fitondrana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fahamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. I Partia (grika: Παρθία / Parthia) dia faritra tamin'ny Andro Taloha tao avaratra antsinanan'ireo havoana iraniana.
  2. I Bakrtiana na Baktria (grika: Βακτριανὴ / Baktrianê) dia faritra nisabaka teo anelabelan'ireto firenena ankehitriny ireto, dia i Afganistàna sy i Tadjikistàna ary i Ozbekistàna.
  3. I Magnesia (na Manezia) dia tanàna tao Azia Minora taloha izay mifanandrify amin'ny faritanin'i Manisa ao amin'ny tendrony andrefan'ny faritra aziatikan'i Torkia ankehitriny, mikasika ny Ranomasina Egea.
  4. I Alimaida na Alimaisy na Elimaia (grika: Έλυμαΐς na Έλυμαΐα / Elumaia na Elumaei) dia faritra tao amin'ny tapany atsimon'i Iràna ankehitriny, izay mifanandrify amin'ny faritanin'i Kozistàna ao Iràna.