Laodike IV

Avy amin'i Wikipedia
Vola misy ny sarin'i Laodike IV

I Laodike IV dia andriambavy tao finakavia-mpanjaka nanapaka an'i Siria sy ny empira seleokida. Zanak'i Antiokosy III Lehibe tamin'i Laodike III izy. I Kleopatra I (izay laz mpanjakavavin'i Ejipta), i Ardisy, i Antiokisy III (vehivavy), i Seleokosy IV, i Antiokosy IV no i Antiokosy Zandriny no iray tampo aminy.

Novadin'ny anadahiny telo nifandimby izy, dia

  • i Antiokosy Zandriny lefitry ny mpanjaka tamin'ny taona 193 tal. J.K. izay niterahany an'i Nisa vadin'i Farnakosy I mpanjakan'i Ponto; maty tsy nahalova fanjakana i Antiokosy Zandriny.
  • i Seleokosy IV izay niterahany an'i Antiokosy, i Demetriosy I Sotera ary i Laodike V; maty koa i Seleokosy IV;
  • i Antiokosy IV izay niterahany an'i Antiokosy V Eopatora.

Tamin'ny nahafatean'i Seleokosy IV dia tokony nisahana ny fanjakana vonjimaika nisolo an'i Demetriosy zanak'izy ireo i Laodike, nefa nanongam-panjakana i Antiokosy IV anadahiny ka naka ny fanjakana rehefa nahazo alalana tamin'ireo Atalida[1] sy ireo Loholona romana ka nanery an'i Laodike IV anabaviny ho vadiny koa. I Laodike IV no mpisorona vavin'ny fivavahana amin'i Laodike III.

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. Atalida dia fianakavia-mpanjaka nanapaka tao amin'ny tananan'i Pergamosy, avy amin’ny anaran'i Atalosy I (mpanjakan'i Pergamosy tamin'ny taona 241  tal . J.K.) ny hoe Atalida.