Hankany amin'ny vontoatiny

Seleokôsy IV Filôpatôra

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Seleokosy IV Filopatora)
Sarin' i Seleokôsy IV Filôpatôra

I Seleokôsy IV Filôpatôra dia mpanjaka seleokida tao Siria izay nanapaka tamin' ny taona 187 hatramin' ny 175 tal. J.K. Nandimby an' i Antiôkôsy III rainy izy.

Teraka tamin' ny taona 218 tal. J.K. ary maty tamin' ny taona 175 izy. I Laôdike III avy any Pôntôsy (na Pônto)[1] ny reniny. I Laodike IV (anabaviny) no vadiny ka niterahany an' i Demetriôsy I sy i Laôdike V (vehivavy).

Na dia reraky ny ady nataon' i Antiôkôsy III tamin' i Rôma aza ny Empira Seleokida dia mbola nidadasika ka nahafaoka an' i Siria, i Kilikia (na Silisia)[2], i Palestina, i Mesôpôtamia ary ampahan-tanin'i Iràna ankehitriny. Ny fandoavana onitra tamin' i Rômana dia niteraka fahasahiranana ara-bola nandritra ny fitondran' i Seleokôsy IV, izay voatery nadefa ny zanany lahy (i Demetriôsy I) ho takalon' aina tany Rôma, hisolo ny rahalahiny Antiôkôsy IV.

Nandefa an' i Heliôdôrôsy (na Heliôdôro) ministrany tany Jerosalema tamin' ny taona 176 sy 175 tal. J.K. i Seleokôsy IV mba handroba ny fanaky ny Tempoly. Rehefa niverina avy any i Heliôdôrôsy dia namono an' i Seleokôsy tamin' ny taona 175 tal. J.K. noho ny nahazoany ny fon' ny miaramila maro tamin' ny harena azony. Rehefa tafaverina avy tany Rôma i Antikôsy rahalahin' i Seleokôsy IV dia namono an' i Heliôdôrôsy ka nandimby an' i Seleokôsy IV teo amin' ny fitondrana sady antsoina hoe Antiôkôsy IV Epifanesy.

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. I Pôntôsy na Pônto (grika: Πόντος / Póntos) dia faritra manodidina ny Ranomasina Mainty (ranomasina izay notondroina koa amin' ny anarana hoe Πόντος Ἄξεινος / Póntos Áxeinos)
  2. I Kilikia na Silisia (latina: Cilicia; grika: Κιλικία / Kilikia) dia faritra tamin' ny Andro Taloha ao amin' ny tapany atsimon' i Azia Minora.