Seleokosy III Sotera
Apparence
I Seleokosy III Sotera, izay atao hoe Seleokosy Keraonosy koa, dia mpanjaka seleokida tao Siria nanapaka tamin'ny taona 226 hatramin'ny 223 tal. J.K. Izy no nandimby an-drainy Seleokosy II Kalinikosy teo amin'ny fitondrana.
Niady matetika tao Anatolia[1] tamin'i Atala I mpanjakan'i Pergamona[2] izy. Novonoin'ny manamboninahitra miaramilany izay namadika azy ka niady taminy tany Anatolia tamin'ny taona 223 tal. J.K izy[3]. Rehefa maty i Seleokosy III dia ny rahalahiny Antiokosy III Lehibe no nandimby azy teo amin'ny fitondrana.
Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ I Anatolia dia ilay faritra andrefan'i Azia, izay fantatra koa amin'ny anarana hoe Azia Minora, ka mifanandrify amin'ny faritra aziatikan'i Torkia ankehitriny izany.
- ↑ I Pergamona na Pergama (grika: Πέργαμον / Pérgamon) dia tanàna tranainy izay atao hoe Bergama, ao amin'ny faritanin'i Izmir ao Torkia ankehitriny,
- ↑ "Seleucus III Keraunos". Livius.org.