Antaka
Ny antaka dia karazana legioma ao amin' ny fianakaviana Fabaceae izay miely be amin' ny maha zavamaniry fanao sakafo azy amin' ny faritra mafana, indrindra aty Afrika. Zavamaniry mianika ary mamoaka voniny volomparasy sy voa misy vihy miloko volomparasy ny antaka.
Ireto ny anarana ara-tsiansa mety hiantsoana azy:
- Lablab purpureus,
- Dolichos lablab L.,
- Dolichos purpureus L.,
- Lablab niger Medikus,
- Lablab lablab (L.) Lyons,
- Vigna aristata Piper,
- Lablab vulgaris, L., Savi
Azo hanina ny raviny, ny voniny, ny pepany ny voany ary ny fakany. Ny pepany sy ny voany maina dia misy poizina noho ny fisian' ny gliokôsida sianôzenina be dia be, ary tsy azo hanina raha tsy aorian' ny fandrahoana maharitra.
Zavamaniry fihinana nentim-paharazana aty Afrika ny antaka izay tsy dia fantatra loatra nefa manana toetra ahafaka anatsarana sakafo, manamafy ny fanjarian-tsakafo, mampiroborobo ny toekarena eny ambanivohitra ary manohana ny fitantanana maharitra ny tany.
Ankoatra izany dia lazaina ho zavamaniry fanao fanafody sy misy poizina ity karazana ity. Tsara amin' ny famoronana haingana ny efitra amin' ny fefy tariby na fefy hafa koa ity zavamaniry ity. Maniry haingana izy, misy voniny manitra sy tsara tarehy izay manintona ny lolo sy ny voronkely. Miovaova arakaraka ny fikarakarana azy be dia be amin' ny fambolena ity zavamaniry ity, fa amin' ny ankapobeny dia zavamaniry mandady na mianika maniry isan-taona na tsy maharitra izy. Maharitra taona ny antaka dia (maniry any amin' ny natiora).
Mety hahatratra 6 m ny halavan' ny taho matevina. Ny raviny dia misampana telo, izay mahatratra halava 15 sm. Misy voniny maro ny tamba-boniny. Misy voniny fotsy, ary misy voniny volomparasy na manga ny hafa ny karazany sasany. Miovaova arakaraka ny karazany koa ny pepany na amin' ny endriny, na amin' ny habeny ary na amin' ny lokony. Matetika io pepany io dia mirefy santimetatra maromaro ary miloko volomparasy mamiratra mankany amin' ny maitso matroka. Ahitana voa hatramin' ny efatra ny pepa tsirairay. Miloko fotsy na volontany na mena na mainty, arakaraka ny karazana, ny voany.