Amadou Toumani Touré

Avy amin'i Wikipedia
Amadou Toumani Touréno

I Amadou Toumani Touré dia mpanao pôlitika maliana. Izy no nanara-maso ny fifidianana nandraisan' ny antoko pôlitika maro voalohany tao Malỳ tamin' ny naha filohan' ny fitondrana tetezamita azy (1991–1992), ary lasa filohan' i Malỳ faharoa voafidy tamin' ny fomba demôkratika (2002–2012). Taraka tamin' ny 4 Nôvambra 1948 izy ary maty tamin' ny 9 Nôvambra 2020.

I Amadou Toumani Touréno no lehiben' ny mpiambina manokana ny filoha Moussa Traoré (sy ny rezimantan' ny mpilatsaka amin' ny elonaina) rehefa nisy hetsi-bahoaka nanongana ny fitondrana tamin' ny Marsa 1991; nosamborin' ny kôlônely Touré avy eo ny filoha ary nitarika ilay hetsika izy. Izy no nitarika ny fitondrana tetezamita niarahan' ny miaramila sy sivily mitantana izay naharitra herintaona sady nivoahan' ny lalàm-panorenana vaovao sy nanatanterahana fifidianana andraisan' ny antoko maro anjara, avy eo izy dia nanolotra ny fahefana amin' i Alpha Oumar Konaré, izay filoha voafidy amin' ny fomba demôkratika voalohany tao Malỳ, tamin' ny 6 Jona 1992. Nampiakatra an' i Touré ho jeneraly i Konaré.

Folo taona taty aoriana, rehefa nisotro ronono tao amin' ny tafika i Touré, dia niditra tao amin' ny fanaovana pôlitika amin' ny maha sivily ary nandresy tamin' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny taona 2002, niaraka amin' ny fifarimbonan' ny mpanohana. Voafidy indray izy tamin' ny taona 2007 ho amin' ny fotoam-pitondrana faharoa sady farany.

Tamin' ny 22 Marsa 2012, fotoana fohy talohan' ny nialany tamin' ny toerany, dia nisy miaramila tsy afa-po tamin' ny fanonganam-panjakana izay nanery azy hiafina. Tao anatin' ny fifanarahana hamerenana amin' ny laoniny ny lamina araka ny lalàm-panorenana ho an' i Malỳ, dia nametra-pialana tamin' ny 8 Avrily i Touré, ary iraika ambin' ny folo andro taty aoriana dia nandeha nisesitany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]