Fiteny etroska

Avy amin'i Wikipedia
Tava anoloan' ny tsangambaton' i Perugia, izay fantatra amin' ny anarana hoe Cippo perugino.

Ny fiteny etroska dia fiteny nampiasain' ny Etroska tao amin' ny tanin' i Etroria (Etruria) tamin' ny Andro Taloha, tao Italia afovoany, izay mifanitsy amin' i Toscana ankehitriny, nanomboka tamin' ny taonjato faha-8 tal. J.K., mandra-pahatapitry ny maha fiteny velona azy, ​​manodidina ny taonjato faha-2 tal. J.K. Nisy fiantraikany tamin’ ny fiteny latina ny fiteny etroska nefa voasolony tanteraka tamin' ny farany.

Ny marimaritra iraisana eo amin' ny mpahay teny sy ny etroskôlôga dia ny hoe ny fiteny etroska dia fiteny talohan' ny fiteny indô-eorôpeana sy talohan' ny fiteny paleô-eorôpeana, mifandray akaiky amin' ny fiteny retika izay notenenina tany amin' ny faritry ny Alpes. Ny hany fiteny voamarina fa misy ifandraisany amin' ny fiteny etroska dia ny fiteny lemniana tao amin' ny nosy Lemnos (nosy grika ao amin' ny Ranomasina Egea), talohan' ny nanafihan' ny Ateniana (taonjato faha-6 tal. J.K.), izay nahitana tsangambato misy soratsokitra natao tamin' ny tarehintsoratra manaakaiky ny nampiasain' ny Etroska.

Misy ny angon-tahirin-kevitra, izay andian-tsoratsokitra amin' ny fiteny etroska voatahiry mandraka androany, voalahatra araka ny tokony ho izy ary ny ankamaroany dia avy any Campania, Latium, Falerii sy Faliscus, Veis, Caeré, Tarquinia ary ny manodidina, ary koa avy amin' ny toerana lavitra kokoa, ivelan' i Etroria, izay nifandray ara-diplômasia na ara-barotra akaiky aminy: faritra izay ho lasa Gallia Narbonensis (fr: Narbonnaise) sy i Corsica (fr: Corse), i Sardinia (fr: Sardaigne) ary i Afrika Avaratra izay nanjakan' i Kartago, tamin' ny vanim-potoana rômana.

Fiteny tirseniana (etroskana, retika, lemniana)

Ankoatra ireo voanteny am-polony vitsivitsy, izay azo antoka na azo inoana fa tena izy ny heviny, dia mbola tsy azo ny hevitry ny fiteny etroska, ary tsy azo adika amin' ny fiteny hafa ny lahatsoratra lehibe maro mbola tavela.

Ny abidy etroska no abidy nampiasaina hanoratana ny fiteny etroska. Ao amin' ny karazany tranainy dia manana litera 26 izy (ao amin' ny môdely naverina tamin' ny alalan' ny abesedera tranainy indrindra) izay ny telo amin' ireo litera ireo (B sy D ary O) dia tsy nampiasaina velively amin' ny fiteny etroska. Ny niandohan' ny litera C dia mitovy amin' ny an' ny litera latina G. Toa tsy manavaka ny renisoratra mipoaka an-danilany tsy migoboka sy migoboka ([k] sy [g]) ny fiteny etroska, ny abidy etroska dia nampiasa ny litera fahatelo amin' ny abidy grika, ny gamma, mba hanoratana ny feo [k].

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]