Fiteny lemniana

Avy amin'i Wikipedia
Toerana misy ny nosy Lemnos

Ny fiteny lemniana dia fiteny nampiasaina tao amin' ny nosy grika Lemnos, tamin' ny tapany faharoa tamin' ny taonjato faha-6 tal. JK. Ny soratra hita teo amin' ny tsangambato fandevenana iray antsoina hoe Tsangambaton' i Lemnos, hita tamin' ny taona 1885 tany akaikin' i Kaminia, no tena manamarina azy io.

Asehon' ny sombin-tsoratra tamin' ny fanaka tanimanga teo an-toerana fa vondron' olona iray no nampiasa an' io fiteny io tao. Tamin' ny taona 2009 dia nisy soratra vao hita notaterina avy amin' ny toerana misy an' i Hephaistia, tanàna tranainy indrindra any Lemnos.

Ny fiteny lemniana dia ekena amin' ny ankapobeny ho fiteny tirseniana, ary mifandray amin' ny fiteny etroska sy ny fiteny retika. Taorian' ny nandresen' ny Ateniana ilay nosy tamin' ny tapany farany amin' ny taonjato faha-6 tal. JK, dia nosoloin' ny fiteny grika atika ny fiteny lemniana.