Fiteny retika

Avy amin'i Wikipedia
Sarintanin' ny vondrom-poko tany Italia tamin' ny taonjato faha-6 tal. JK. Ny faritr' i Retia dia miloko mavokely.

Ny fiteny retika na fiteny retiana dia fiteny nampiasaina tany amin' ny faritr' i Retia fahiny tany amin' ny tapany atsinanan' i Alpes tamin' ny talohan' ny vanim-potoana rômana sy nandritra io vanim-potoana io. Ity fiteny ity dia voarakitra anaty lahatsoratra manodidina ny 280 tamin' ny taonjato faha-5 ka hatramin' ny taonjato voalohany tal. JK, izay hita tany amin' ny avaratra amin' i Italia, tany atsimo amin' i Alemaina, tany atsinanana amin' i Soisa, tany Slôvenia ary tany andrefana amin' i Aotrisy, amin' ny karazany roa amin' ny tarehin-tsora italika taloha. Ekena fa ny fiteny retika dia mifandray akaiky amin' ny fiteny etroska. Ankehitriny dia fiteny maty ny fiteny retika. Ny fiteny retika dia anisan' ny fiteny tirseniana.

Ny fiteny retika fahiny dia tsy tokony hafangaro amin' ny fiteny rômana ankehitriny izay ampiasaina amin' ny faritr' i Alpes sahala aminy, izay atao hoe fiteny retô-rômana.